Teny fampidirana
GSAM 3.1Efa maro ny boky mahasoa eo am-pelatanan'ny olona, ary ny fialan-tsiny ataoko amin'ny fanampiana iray hafa amin'ny lisitra dia ny filazako ato anatin'ireto pejy ireto zavatra maro momba ny Advantista, ary indrindra fa ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, izay mbola tsy natolotra tamin'ny endrika toy izao teo anatrehan'ny olona. Ankoatra izany, maro ireo izay nanohana ny antom-pinoana taty aoriana, ary izay tsy nahita maso ireo zavatra voalaza, no nangataka fatratra ny fitantarana ireo zava-nisy sy traikefa ireo avy amin'ireo izay nialoha tamin'ny asa. Koa satria efa zatra ny hetsika momba ny fahatongavana tamin'ny 1843 sy 1844 aho, ary nanomboka ny 2 Janoary 1849 dia nanambara ny fampianarana, voalohany amin'ny maha-Advantista ahy, ary nanomboka tamin'ny 1852 amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ahy, dia heveriko ho fifaliana ny miteny ny zavatra hitako sy reko.
GSAM 3.2Nanome fanambarana momba ny hetsika momba ny fahatongavan'i Kristy aho, izay niely tany amin'ny firenena mandroso rehetra eran-tany nanomboka tamin'ny 1831 ka hatramin'ny 1844.
GSAM 3.3Nanomboka tamin'ny 1845 dia nisy fikambanana Advantista hafa izay nanambara, ary mbola manambara hatramin'izao, ny fahatongavan'i Kristy izay efa akaiky. Raha tokony hanaraka ireo sampana rehetra ireo, dia ny tanjoko kosa dia ny hanome, amin'ny antsipiriany, ny fiandohana sy ny fivoaran'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, ka manasongadina manokana ireo sampan-draharaha izay, teo ambany fitantanan'Andriamanitra, nanampy tamin'ny fampivelarana, avy amin'ny fahantrana sy ny fiandohana kely, ny vahoaka iray izay, na dia manodidina ny iray hetsy monja aza ny isany, dia nisy tamin'ireo mpanohitra azy nilaza hoe, “Raha jerena ny heriny sy ny hafanam-pony amin'ny asa ataony dia hihevitra ny olona fa roa tapitrisa ny isan'izy ireo.”
GSAM 3.4Na dia ireo izay mahalala kely fotsiny momba ny tantaran'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito aza dia mahafantatra fa nanomboka tamin'ny 1845 dia nandray anjara lehibe tamin'ny hetsika ny Ramatoa E. G. White, na amin'ny maha-mpandaha-teny azy na amin'ny maha-mpanoratra azy. Fantatr'izy ireo ihany koa fa nisy fisehoan-javatra manokana, na fanomezam-pahasoavana, niaraka tamin'ny asany. Tombontsoa ho ahy ny nanatrika sy nanatri-maso ny fiasan'ity fanomezam-pahasoavana ity in-dimampolo teo ho eo. Ato anatin'ireto pejy ireto dia nasongadiko ny faminaniana raikitra enina amby roapolo teo ho eo nataon'ny Ramatoa White izay tanteraka tamin'ny fomba tena marina indrindra.
GSAM 4.1Ankoatra ny fanamarihako manokana, dia nampiditra ihany koa ny fijoroana vavolombelon'ireo olona hafa nahita maso momba ny zavatra niainany aho. Ny zava-misy toy izany dia tokony hanana lanja lehibe kokoa ho an'ny mpamaky tena marina, noho ireo filazana an-jambany ataon'ireo izay tsy mbola nanatrika fotoana toy izany mihitsy.
GSAM 4.2Atolotro amin'ny mpamaky ity asa ity, manantena fa, amin'ny fitahian'Andriamanitra, ny famakiana ireto pejy ireto dia ho fitaovana hampandrosoana ny asan'i Kristy ao am-pon'ny maro, ary matoky aho fa ny rehetra, eo am-pamakiana, dia hitahiry ao an-tsainy ny tenin'i Paoly tamin'ny Tesaloniana hoe: “Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.”
GSAM -J. N. Loughborough.
GSAM -Mountain View, Kalifornia, 1 Mey 1905.