Toko faha-9 — Ny Fotoana Fiandrasana
GSAM 148.1“amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry. Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany. Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.”1
GSAM 148.2Kristy no mpampakatra amin'ity fanoharana ity.2 Noho izany, ny fandehanana hihaona amin'ny mpampakatra dia tokony hisolo tena ny hetsika ataon'ny vahoakan'ny Tompo mba hihaona amin'i Kristy amin'ny fahatongavany, satria ny lohahevitry ny toriteny ao amin'ny Matio toko faha-24 sy faha-25 dia ny fahatongavan'ny Tompo. Ny tenin'ny Tompo no jiro.3 Nentin'ny virijina rehetra avokoa ny fanalany. Ny hadalàn'ny ampahany tamin'ireo virijina dia ny fandraisany fotsiny ny teôria momba ny fahamarinana, nefa tsy nisy fanokanana lalina ho an'ny Tompo izay hampivelatra ny fahasoavan'ny Fanahy ao am-pon'ny mpino. Ity asa ity dia aseho ao amin'ny fanoharana amin'ny “solika tao anatin'ny fitondrany”. Ny fahataràn'ny mpampakatra dia tokony haneho fahadisoam-panantenana ho an'ireo mivoaka miandry hihaona amin'ny Tompony.
GSAM 148Ny Fotoana Iampiharana ny Fanoharana
GSAM 148.3Ny teny hoe “amin'izany”, izay manokatra ilay fanoharana, dia manome antsika famantarana momba ny fotoana ampiharana azy. Manaraka akaiky izay efa voalaza tamin'ny toko teo aloha izany, fa tsy aorian'ny fiavian'ny Tompo fanindroany, fa aorian'ny nanambarana ny fanoharana momba ny hazo aviavy, izay manambara fa efa “eo am-baravarana” ny fahatongavan'i Kristy, ary efa tonga ilay taranaka izay tsy handalo raha tsy miseho i Kristy tenany ao anatin'ny rahon'ny lanitra. Mihatra ihany koa izy io amin'ny fotoana izay misy amin'ireo mpanompo izay nanambara ny hafatra milaza ao am-pony hoe: “Maharitra ela ny tompoko, ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin'ny mpimamo.”
GSAM 149Mamely ny mpiara-mpanompo aminy
GSAM 149.1Ireo dia “mpiara-mpanompo” izay nampita tamim-pirahalahiana ny hafatra iray ihany; fa ankehitriny misy ampahany amin'izy ireo mivadika amin'izay nampianariny, ka “mamely” ireo mpiara-mpanompo aminy izay manome ny sakafo ara-potoana—izany hoe manambara ny fiomanana ilaina hihaonana amin'ny Tompo efa akaiky ho avy. Mamely izy ireo tahaka ny nanolorana hevitra hamely an'i Jeremia. Hoy ny olona, “Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.”4 Dia nanomboka nampianatra tamin'ny fomba hanakanana ny asan'ireo mpanompo “mahatoky” ireo mpanompo ireo. Ity sokajin'olona ity ihany no iantefan'ny teny hoe: “tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao.”5
GSAM 149.2Ny fanoharana momba ny virijina dia mihatra amin'ny fotoana izay “mpiara-mpanompo” mivadika amin'ny hafatra momba ny fahatongavan'ny Tompo efa akaiky, ary manomboka “mikapoka”. Manomboka manao zavatra hafa koa izy ireo—“mihinana sy misotro amin'ny mpimamo”. Mandray anjara amin'ny fety miaraka amin'ireo izay te hanome fahafinaretana ny filan'ny vavany izy ireo. Hoy i Solomona momba ny olona tahaka izany: “Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena; Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena.”6
GSAM 149Ny Fahadisoam-panantenana Voalohany
GSAM 149.3Hisongadina ankehitriny ny fanontaniana hoe, “Inona no tao anatin'ny traikefa momba ny fahatongavan'ny Tompo izay mifanaraka amin'ireo fanambarana ireo?” Nisy hetsika izay nifanaraka tanteraka tamin'ny faminaniana. Ireo izay nitondra ny hafatra hatramin'ny volana Aprily 1844 dia niasa teo anivon'ny fiangonana, ary ireo mpitandrina avy amin'ny fiangonana isan-karazany dia niara-niasa tamin'izy ireo. Noho izany dia “mpiara-mpanompo” izy ireo.
GSAM 150.1Ireo izay nitory ny hafatra dia nampianatra fa ny 2300 andro ao amin'ny Daniela 8:14 dia hifarana amin'ny taona jiosy 1843, izay ho amin'ny taona 1844 araka ny fanisantsika. Nambarany fa ho tonga amin'ny fiafaran'izany fe-potoana izany ny ora fitsaran'Andriamanitra. Ny sampana ara-pinoana rehetra teto amin'ny firenena tamin'izany fotoana izany dia nihevitra fa ny andro fitsarana dia hanomboka amin'ny fiavian'ny Tompontsika fanindroany. Noho izany dia hita mora fa nihevitra ny Advantista fa ho avy ny Tompo amin'ny fiafaran'io vanim-potoana faminaniana io. Hoy izy ireo hoe: “Mety hifarana amin'ny volana Martsa 21, 1844, io vanim-potoana io, izay faran'ny taona jiosy voajanahary 1843.” Koa niandry ny faran'ny volana Martsa na ny fiandohan'ny volana Aprily 1844 izy ireo, ho fotoana mety hahatongavan'ny Mpamonjy.
GSAM 150Ny Fivoaran'ny Mpanompo Ratsy
GSAM 150.2Rehefa tonga sy lasa ny faran'ny volana Martsa, nefa tsy tonga ny Tompo, dia ireo izay niara-niasa tamin'ireo iraky ny Tompo taloha, saingy tsy nanokana tanteraka ny fiainany tamin'ny hafatra avy amin'ny fony, no nivadika, nanomboka nanohitra ny asa, ary nanao izay rehetra vitany hanakanana ny lalan'ireo izay mbola nanohy nampianatra ny fampianarana momba ny fahatongavan'ny Tompo efa akaiky sy ny hafatra momba ny ora fitsarana. Ao am-pony hoy izy ireo, “Maharitra ela ny tompoko,”. Tamin'ny vavany izy ireo ankehitriny no nampianatra fa tsy maintsy miova fo izao tontolo izao manontolo alohan'ny hahatongavan'ny Tompo; fa ny Jiosy rehetra dia tsy maintsy miverina any Palestina, ary hanorina ny fanompoam-pivavahana ao amin'ny tempoliny any Jerosalema, alohan'ny hahatongavan'ny Mesia. Ny sasany aza nampianatra fa ny fahatongavan'i Kristy dia “fahatongavana ara-panahy,” fa mitranga izany amin'ny fotoana iovam-po, ary koa amin'ny fahafatesan'ny olony.
GSAM 151Manome hanina amin'ny fotoana
GSAM 151.1Raha nifanohitra tamin'ireo mpiara-mpanompo aminy ireo izy ireo, dia niantso ny mpino hifamory tao amin'ny efitrano sy ny ala kely ireo mbola nitazona mafy ny finoana, nanome azy ireo ny hanina amin'ny fotoana?—nampiseho taminy fa ny famantarana ny vanim-potoana sy ny faminaniana efa tanteraka dia nanambara, tahaka ny talohan'ny fahadisoam-panantenany, fa ny fahatongavan'i Kristy dia “efa akaiky mby eo am-baravarana.”
GSAM 151Fety an-Fiangonana
GSAM 151.2Raha mbola nanao izany izy ireo dia nanomboka ny zavatra izay tsy mbola nisy teo aloha tao amin'ny fiangonana Protestanta—ny fiantsoana ny olona hiaraka ao am-piangonana mba hisakafo sy “hialana voly.” Nasaina handray anjara tamin'ny hanim-py-mamy niaraka taminy avokoa izay rehetra tonga.
GSAM 151.3Ny voalohany indrindra nandrenesanay zavatra toy izao tany Amerika dia tamin'ny volana Mey 1844, fotoana fohy taorian'ny fahadisoam-panantenana. Toy izao no nitrangany: Raha mbola nampianatra sy namporisika Advantista an-jatony maromaro tao anaty efitrano iray tany Rochester, N.Y., i William Miller, ka nilaza tamin'izy ireo hoe, “Ao anatin'ny fotoana fiandrasana araka ny voalazan'i Matio toko faha-25 isika; hamafiso ny finoanareo; tsy ho ela dia hahazo hazavana bebe kokoa momba ity raharaha ity isika,” dia nisy “fety” nokarakaraina tao amin'ny lakaly an'ny iray amin'ireo trano fivoriana lehibe indrindra tany Rochester. Nivory ny vahoaka maro, na mpino na tsy mpino, ary raha nisy filohan'ny kolejy teolojika iray nampihomehy ny vahoaka tamin'ny fanarabiana an'i William Miller, dia nivarotra ositra, gilasy, zava-mamy ho an'izy ireo, ary namidy dimy amby roapolo santima ny bokikely kely iray izay nomanin'ity lehilahy ity. Ny anaran'ilay boky dia “An Exposé of Millerism.”
GSAM 151.4Tsy ampy tapa-bolana taorian'izay, nisy fiangonana hafa tao an-tanàna ihany koa nanendry “fetibe” tao amin'ny efitrano fandraisam-bahoaka iray, ka nandoa saram-pidirana dimy amby roapolo santima ny olona, ary nanasa izay rehetra te-ho avy mba hiara-hihinana amin'izy ireo ny ositra, gilasy, mofomamy, ary zava-mamy. Tamin'izay sy teo no niandohan'ity fanaovana fety ankehitriny eny am-piangonana ity, izay nivadika ho “fety adala”, “kitapo misy loka”, “dobon-trondro”, “fety fanorohana”, sy ny sisa. Ity fomba fanaovana fety eny am-piangonana ity dia nitombo hatramin'ny toerana izay mahatonga ny trano fiangonana maoderina ankehitriny tsy ho feno ny fenitra raha tsy manana ny lakozia, ny efitra fitehirizana sakafo, ary ny efitrano fisakafoanana. Izany toe-javatra izany no nanomboka tamin'ny “fotoana fiandrasana,” araka ny voatondro ao amin'ny fanoharana.
GSAM 152.1I Wm. Miller tenany mihitsy no mitantara ilay zava-nitranga tany Rochester amin'ireto teny manaraka ireto:
GSAM 152.1“Ny iray tamin'ireo D.D. tany Rochester, Andriamatoa _____, avy amin'ny fiangonana _____, dia nanoratra bokikely nanohitra ny Millerisma, niantso ireo tompolahy sy tompovavy ho ao an-tranon'ny Tompo, nanao fety lehibe tamin'ny ositra sy ‘hanim-pety’ hafa, Tahaka an'i Belsazara, nisotro ny kafe sy ny dite, nihinana ny hanim-py lafo vidy, ary nivarotra ny gilasy sy ny zava-mamy, ary koa ny bokikely nosoratany nanohitra ny fiavian'ilay Mpamonjy malala fanindroany.
GSAM 152.2“Ny alina talohan'ny nialako, nisy mpitandrina iray hafa nanao fety fiaraha-misakafo tao amin'ny trano fisotroana, na efitrano fandraisam-bahoaka, ary nivarotra, tahaka ny voalaza etsy ambony, ny tapakilany, ny gilasy, ary ny zava-mamy. Faly aho nandre fa nisy amin'ireo fiangonana avy amin'ny sampana samihafa no tsy nankasitraka ireo fety babyloniana tahaka izany; ary manantena fatratra aho, ao am-poko, fa tsy ny fiangonana sampana rehetra ireo no ho hita ‘mihinana sy misotro amin'ny mpimamo’ rehefa tonga i Kristy. Gaga aho fa tsy mahita ny tenany ao amin'ny fitaratry ny tenin'Andriamanitra ireo mpitandrina ireo; ary manoro hevitra azy ireo aho hamaky ny Lioka 14:12-14; Matio 24:48-51; Lioka 13:25-28; 2 Petera 2:13; Joda 10-21. Fotoana farany tokoa izao.”
GSAM 152.3Raha nahita ny zavatra nidiran'ny fiangonana hatrany aoriana, tamin'ny alalan'ireo fety fanomezana nataon'izy ireo, izay nisy “kilalao faminavinana ny mofomamy misy peratra, fety fanorohana andoavana santima folo, fampisehoana boriky, fety adala, loteria masina,” sy fandaminana lalao vintana hafa isan-karazany, sns., ny Pasitera Miller, dia ho nisintaka tamim-pahatairana masina izy.
GSAM 152Ny Fotoana Fiandrasana
GSAM 152.4Nahita fampiononana ny Advantista tamin'ny zava-misy ara-baiboly fa rehefa nambara ny fahatongavan'ny Tompo efa akaiky dia nisy nifandray tamin'izany ny “fotoana fiandrasana”. Hitany izany tamin'ny tenin'ny Mpamonjy antsika ao amin'ny Matio 25:5, 6, ary ao amin'ny Habakoka 2:1-3.
GSAM 153.1Mikasika ny toe-tsain'izy ireo tamin'ny lohataonan'ny 1844, dia maka teny avy amin'ny Midnight Cry tamin'ny 9 Mey 1844 izahay hoe:—
GSAM 153.2“Rehefa nandalo ny fotoana izay toa nifaranan'ireo vanim-potoana faminaniana isika, dia apetraka amin'ny toerana izay efa nampoizin'Andriamanitra fa hisy ny zanany amin'ny fiafaran'ny fahitana, ary izay efa nanomanany fepetra, tamin'ny alalan'ny mpaminany Habakoka, rehefa nilaza izy hoe, ‘Hitsangana eo ambonin'ny fitazanako aho Ary hijoro eo ambonin'ny manda, Hiandry hahitako izay holazainy amiko Sy izay havaliko rehefa anarina aho (dikan-teny ara-bakiteny avy amin'ny KJV),’ na araka ny voasoratra eo an-tsisin'ny pejy hoe, ‘misy miady hevitra amiko.’ ‘Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe: Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana, Mba ho azon'ny mihazakazaka hovakina aza. Fa ny fahitana dia mbola ho amin'ny fotoan'andro, Ary mikendry ny farany [amin'ireo vanim-potoanan'ny faminaniana] izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza [mihoatra ny fiafarany hita maso] izy, andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy [amin'ny fahafenoan'ny fotoanan'ny faminaniana, mihoatra izay] ka tsy hijanona.’7
GSAM 153.3“Mazava fa ity fampitandremana ity dia mikasika ny fotoana ankehitriny, araka ny teny nalain'i Paoly ao amin'ny Hebreo 10:36-39: ‘Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra. Fa "rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra" Ary "ny oloko marina dia ho velon'ny finoana;" Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2.3, 4). Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy.’
GSAM 153.4“Mino izahay fa miaina ao anatin'ilay vanim-potoana voalazan'ny Mpamonjy isika, dia ilay fotoana itaredretan’ny mpampakatra (Matio 25:5)—izay tokony hampitahana ny fanjakan'ny lanitra,—rehefa ‘ilay mpanompo ratsy [noho ny fisian'ny tsy fahombiazana hita maso tamin'ny fotoana] dia hilaza ao am-pony, Maharitra ela ny tompoko, ka hanomboka hamely ny mpiara-mpanompo aminy, ary hihinana sy hisotro miaraka amin'ny mamo,’ ary ny Tompo dia ‘ho avy amin'ny andro izay tsy ampoiziny.’
GSAM 154.1“Mino izahay fa ao anatin'izany vanim-potoana voalazan'i Petera izany isika ankehitriny, rehefa ‘efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany;’ izay ‘hahatonga mangingina sain-diso mahavery.’8 Ireo, hoy i Petera, dia ho toy ny mpaminany sandoka tamin'ny fotoana nanoratana ny Soratra Masina. Koa satria hoy ireo tao an-tranon'i Isiraely hoe: ‘Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra,’9 dia tsy maintsy nisy fotoana izay toa nandalo fotsiny ilay fotoana, ka nahafahan'ireo mpihomehy ao amin'ny 2 Petera 3:4 nanontany hoe: ‘Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany?’ ary nampionona ny tenany fa ‘maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza’.
GSAM 154.2“Mino izahay fa noho ny fijanonan'ny fahitana ela toy izany no nilazan'ny apostoly Jakoba hoe: ‘amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo’; ‘Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo.’ Ary, ‘Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana.’
GSAM 154.3“Ary mino izahay fa efa nanantena ny fandalovan'ny fotoana nandrasana no nampitandreman'ny Mpamonjy antsika, ao amin'ny toko faha-12 amin'ny Evanjelin'i Lioka hoe: ‘Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay.’10 Ny fiandrasana dia midika fandalovan'ilay fotoana nandrasana, satria mandra-pahatongan'izany fotoana izany dia tsy miandry isika. Noho izany, nanampy ny Tompontsika hoe: ‘Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy.’
GSAM 154.4“Hanohy, raha sitraky Andriamanitra, hampahafantatra izahay hoe: ‘Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy;’ ary hoe: ‘tonga ny andro fitsarany;’. Ary matoky izahay fa tsy hitsahatra hanohy ny antso mafy ho an'izao tontolo izao sy ny fiangonana, mba hifoha amin'ny hiran'izy ireo momba ny ‘fiadanana’, ary hihaino ny tolotra famindram-pon'Andriamanitra. Mikasa izahay hanohy hiandry sy hitandrina ny fahatongavan'ny Tompo, satria mino fa efa akaiky izany.”
GSAM 155Fanamarinana ny Asan'izy ireo
GSAM 155.1Azo atao ny mahazo hevitra tsara momba ny fomba fijerin'ny Advantista ny asany talohan'ny 21 Martsa 1844, sy taorian'io daty io avy hatrany, amin'ny alalan'ny famakiana ity teny nalaina manaraka ity, nalaina avy amina lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe, “Fiarovana,” tao amin'ny Advent Herald tamin'ny 13 Novambra 1844, navoakan'i J. V. Himes, S. Bliss, ary A. Hale:—
GSAM 155.2“Tsy nanao maika izahay tamin'ny fandraisana ny hevitray. Mino izahay fa mpikaroka marina sy madio fo nitady ny fahamarinana. Nankatò ny didin'ny Mpamonjy anay izahay mba hikaroka ny Soratra Masina. Tsy niantehitra tamin'ny fahendrenay manokana izahay; fa nitodika tany amin'Andriamanitra mba hahazo fitarihana sy torolalana, ary niezaka nanolotra ny tenanay teo amin'ny alitarany, niantehitra fa izy no hitarika ny dianay araka ny tokony ho izy. Nandinika ny hevitra rehetra natolotra hanohitra anay izahay tamin'ny faniriana madio hahafantatra ny marina sy hisoroka ny hadisoana; saingy tsy maintsy miaiky izahay fa ny toerana isan-karazany sy maro endrika nentin'ireo mpanohitra anay dia nanamafy fotsiny ny fomba fijerinay. Hitanay fa na marina na diso izahay, dia tsy mety ho marina ireo mpanohitra anay; ary tsy nifanaraka na dia teo amin'izy ireo aza ny heviny. Ny adihevitry ny tsirairay dia malemy sy toy ny an'ny zaza loatra ka voatery foana izy ireo no manafoana izay efa nataony; ary tamin'ny alalan'ny fomba fijeriny mifanohitra sy mifandrafy dia nasehon'izy ireo fa na inona na inona fomba fijeriny momba ny hevitray, dia tsy nisy fahatokisana na kely aza teo amin'ny hevitry ny tsirairay avy teo amin'izy ireo. Ary ankoatra izany, tsy nisy teboka fototra iray tamin'ny fijoroanay manontolo izay tsy notohanan'ny iray na maromaro tamin'ireo izay niasa handà ny fahatongavan'ny Tompo eo no ho eo. Raha toa ka nanana ny dikan-teny ara-bakiteny an'ny Soratra Masina hanohanana anay izahay, dia niezaka tamin'ny tsy nahombiazana ireo mpanohitra anay hanaporofo fa tsy tokony hahatakarina ara-bakiteny ny Soratra Masina, na dia ny faminaniana rehetra efa tanteraka aza dia tanteraka tamin'ny antsipiriany madinika indrindra ara-bakiteny.
GSAM 156Fanazavana ny Fahadisoam-panantenana
GSAM 156.1“Saingy lasa ny fotoana—ny taona 1843, taona jiosy—ary diso fanantenana izahay satria tsy nahita ny Mpanjaka tamin'ny hatsarany. Ary ireo rehetra nanohitra anay dia nihevitra tamim-pahatsorana fa voaporofo ho diso avokoa ireo fotokevitra mampiavaka ny finoanay; ary tokony hahafoy tanteraka ny foto-pinoana nijoroanay izahay, amin'ny maha-olona marina anay. Noho izany dia gaga izy ireo nahita anay mbola nifikitra tamin'ny fanantenanay, ary mbola niandry ny Mpanjakanay.
GSAM 156.2“Izahay kosa, na dia diso fanantenana aza, dia tsy nahita antony ho kivy. Hitantsika fa milaza ny Soratra Masina fa tsy maintsy misy fotoana hiandrasana, ary raha mbola mitaredretra ilay fahitana dia tsy maintsy miandry azy izahay. Hitantsika koa fa tsy afaka nifarana tanteraka tamin’ny faran’ny taona ilay fe-potoana, na dia heverina ho marina aza ny kajy fotoanantsika; ary tsy ho tanteraka izany raha tsy amin'ny fotoana iray ato anatin'ity taona ity; nefa na izany aza dia nanaiky tamin'ny fomba mazava sy feno tamin'izao tontolo izao izahay fa diso tamin'ilay fotoana voafaritra izay nianteheranay fatratra; saingy na dia diso aza izahay, dia hitanay ny tanan'Andriamanitra tamin'izany raharaha izany. Hitantsika fa nampiasainy io fanambarana io ho fampitandremana ho an'izao tontolo izao, sy ho fitsapana ho an'ny fiangonana. Nampijoro ny olony ho amin'ny toe-tsaina fiandrasana izany. Nanasongadina ireo izay vonona ny hijaly noho ny anarany izany. Nampiseho izany hoe ho an'iza no vaovao mahafaly lehibe ny fiantsoana ny fahatongavan'ny Tompo, ary ho an'iza kosa no feo tsy ankasitrahana teo amin'ny sofiny. Nasehony tamin'izao rehetra izao hoe iza no handray ny fiverenan'ny Tompo, ary iza no handà Azy amin'ny fiaviany fanindroany, tahaka ny nataon'ny Jiosy tamin'ny fahatongavany voalohany. Ary heverinay ho dingana iray amin'ny fanatanterahana ny fikasan'Andriamanitra izany, amin'izao andron'ny fiomanany izao, mba hitarika vahoaka izay hitady ny sitrapon'ny Tompo fotsiny, mba ho vonona amin'ny fahatongavany izy ireo.”
GSAM 157TANTARAN'NY HETSIKA TAORIAN'NY MARTSA 1844
GSAM 157.1Tantara fohy momba ny hetsika momba ny fahatongavana taorian'ny 21 Martsa 1844 no aseho eto ambany, nalaina avy amin'ny Signs of the Times, 31 Oktobra 1844:—
GSAM 157.2“Rehefa lasa ny taona 1843,—taona Jiosy,—ny ankamaroan'ny Advantista dia niorim-paka tamin'ny finoana fa tsy afaka nikajy fotoana voafaritra intsony isika nanomboka teo, na dia tamin'ny fahatokiana kely aza. Nino izy ireo fa efa tonga amin'ny toerana izay asehon'ny kajy fotoanantsika isika, eo amin'ny fiafaran'ny vanim-potoana faminaniana rehetra, izay andrasana ny fahatongavan'ny Tompo; ary na dia tsy maintsy niandry fotoana fohy fotsiny aza isika raha misy fahasamihafana eo amin'ny kajy fotoanantsika sy ny fotoanan'Andriamanitra, dia nino izy ireo fa tsy hanana famantarana hafa momba ny fotoana voafaritra intsony isika. Samy naka ny fanalany avokoa izy rehetra ka nandeha nihaona tamin'ny Mpampakatra; saingy tara ny Mpampakatra mihoatra ny fotoana (1843) nandrasana azy. Nandritra io fahatarana tamin'ny fahitana io, toa fanapahan-kevitry ny rehetra ny niandry izany, tamin'ny finoana fa tsy afaka ho tara izany, ary fa mety hiseho amin'ny fotoana fohy. Na izany aza, vetivety dia nazava fa maro be no nanomana drafitra ho an'ny hoavy, izay tsy ho nataon'izy ireo raha nino izy ireo fa ho avy amin'ity taona ity ny Tompo; ary fa natory izy ireo raha ny amin'ny fahatsapana ny fisehoan'ny Tompo eo no ho eo. Raha lazaina amin'ny teny hafa, nihevitra izy ireo fa mety ho tonga amin'ny andro rehetra izy, na mety ho tara kely, izay fotoana ahafahan'izy ireo mankafy fitsaharana mampahery. Eny, toy izany tokoa no nolazain'ny Mpamonjy antsika fa hitranga, ‘raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.’
GSAM 157Fampahatsiahivana momba ny Fararano tamin'ny 1844
GSAM 157.3“Efa tamin'ny volana Mey 1843, dia efa nampitondra ny sainay tamin'ny volana fahafito amin'ny taom-pivavahan'ny Jiosy ny Rahalahy Miller, ho fotoana hanajana ireo fanoharana izay manondro ny fiavian'ny Tompo fanindroany; ary tamin'ny fararano lasa teo dia nojerenay tamim-pahalianana fatratra izany fotoana izany. Rehefa lasa izany, dia nino tanteraka i Rahalahy S. S. Snow fa, araka ireo fanoharana, ny fahatongavan'ny Tompo, rehefa mitranga, dia tsy maintsy mitranga amin'ny andro faha-10 amin'ny volana fahafito; saingy tsy azony antoka ny taona. Taty aoriana dia hitany fa tsy lany raha tsy tamin'ity taona ity, 1844, ireo vanim-potoana faminaniana; Dia nanamafy ny heviny izy fa amin'ny manodidina ny faha-22 Oktobra—ny faha-10 andro amin'ny volana fahafito amin'ity taona ity—no hahitantsika ny fahatongavan'ny Tompon'ny voninahitra. Izany no nozarainy teny amin'ny toriteny tany New York, Philadelphia, ary tany amin'ny toerana hafa nandritra ny lohataona sy fahavaratra lasa teo; ary na dia maro aza no nanaiky ny heviny, dia tsy nisy fisehoana manokana hita tamin'ny vokatr'izany raha tsy tamin'ny manodidina ny volana Jolay.
GSAM 158Ny Voly Navela Teny An-tsaha
GSAM 158.1“Tany am-piandohan'ny vanim-potoana, ny sasany tamin'ireo rahalahinay tany avaratr'i New Hampshire dia voatohina mafy tamin'ny finoana fa ho avy ny Tompo alohan'ny ririnina iray hafa, ka tsy namboly ny tanimboliny izy ireo. Tokony ho tamin'ny tapaky ny volana Jolay,—izay no harivan'ny misasak'alina amin'ny andro-taonan'ny Jiosy (hariva-maraina, araka ny fanisana manomboka amin'ny volana vaovao tamin'ny volana Aprily, fiandohan'ity taona Jiosy ity),—ny hafa izay efa namafy sy namboly ny taniny dia voatohina mafy tamin'ny finoana ny fahatongavan'ny Tompo eo no ho eo, ka tsy afaka nanangona ny vokany izy ireo, araka ny finoany. Ny sasany, rehefa niditra ny saha hanapaka ahitra, dia hitany fa tsy afaka nandroso mihitsy, ary, araka ny fahatsapany ny adidiny, dia navelany teo an-tsaha ny voliny, mba hanehoany ny finoany amin'ny alalan'ny asany, ary mba hanameloka izao tontolo izao amin'izany. Niparitaka haingana tany avaratr'i New England izany.
GSAM 158Ny Fitsarana no Mialoha ny Fahatongavana
GSAM 158.2“Tamin'izany fotoana izany, ireo rahalahinay tany Maine dia efa nino ny hevitra fa ny fitsarana dia tsy maintsy mialoha ny fahatongavana; fa mifanandrify amin'ny fijinjana izany, ary tsy any amin'ny faran'izao tontolo izao fotsiny, fa mandrakotra vanim-potoana eo akaikin'ny farany. Araka izany fomba fijery izany, nihevitra izy ireo fa efa ao anatin'ny fitsarana isika, fa mbola nosoritana ny tsipika mpanavaka, ary mbola nasiana tombo-kase teo amin'ny handrin'izy ireo ny mpanompon'Andriamanitra, ka ny fahatanterahan'izany no ho famantarana ho an'ireo anjely efatra mitazona ny rivotra efatra manerana an'izao tontolo izao (Apokalypsy 7:1) mba hamoaka ny fihazonan'izy ireo.
GSAM 159Fifohazana amin'ny Mamatonalina
GSAM 159.1“Tokony ho tamin'ny tapaky ny volana Jolay dia nanomboka niaraka tamin'ny fanambarana ny fotoana ny fitahian'Andriamanitra tamin'ny famerenana ireo mpivadika, ary ireo izay nandray ny iray amin'ireo fomba fijery voalaza teo dia naneho fiovana lehibe teo amin'ny fitondran-tenany, sy fifohazana tampoka avy amin'ny torimaso, araka ny voalaza mialoha. ‘nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy. Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.’ Nanomboka tamin'ny volana Jolay, ireo hetsika ireo dia niseho tany amin'ny faritra samihafa tao New England, ary tsy nifandray; saingy narahin'ny fitahian'Andriamanitra avokoa izy rehetra tamin'ny famerenana ireo maro izay saika maty ny fanalany, sy tamin'ny fanamasinana ny olony. Tamin'ny fivoriana an-toby tany Exeter, nihaona ireo hery rehetra ireo, nifangaro ho hetsika lehibe iray, ary niely haingana tamin'ny fikambanan'ny Advantista rehetra tany amin'ny tany.”