Toko faha-25 — Andrim-pampianarana
GSAM 391.1“Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao. Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.”1
GSAM 391Sekolin'i Prof. G. H. Bell
GSAM 391.2Ny asa fampianarana ataon'ny antokom-pinoana ankehitriny dia efa nitombo ka lasa lehibe raha oharina. Tahaka ireo sampana hafa amin'ny asa efa voalaza teo aloha, kely dia kely ny niandohany. Tamin'ny 1868, nanokatra sekoly tao amin'ilay trano birao taloha, teo amin'ny zoro avaratra-atsinanan'ny Lalana Kalamazoo sy Washington, tao Battle Creek, ny Profesora G. H. Bell. Ankoatra izany, tamin'ny lohataonan'ny 1871, rehefa nifarana ny Kaonferansa Jeneraly, dia nisy fampianarana feno efatra herinandro ho an'ny mpitandrina natao, izay natao hanampiana ireo izay manao asa maha-mpitandrina sy amin'ny fiangonana.
GSAM 391Antso ho an'ny Sekoly Fivavahana
GSAM 391.3Nisy lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Review tamin'ny 16 Aprily 1872, mitondra ny lohateny hoe, “Mila Manana Sekoly ho an'ny Antokom-pinoana ve Isika?”, izay nanazava mazava tsara ny filàna ny fisian'ny sekoly toy izany. Tao amin'ny Review tamin'ny 16 Jolay dia nambara fa nanomboka tamin'ny mpianatra roa ambin'ny folo ny sekoly, izay isan'olona, rehefa tapa-bolana, dia nitombo ho dimy amby roapolo, ary nisy kilasy fianarana fitsipi-pitenenana hariva nahitana mpianatra dimampolo no natomboka. Nanomboka tamin'ny 16 Septambra 1872 ny fotoam-pianarana faharoa, ary mpianatra efapolo no nisy. Tamin'ny Desambra 16 dia efa nitombo be ny isan'ny mpianatra ka nafindra tao amin'ny trano fivoriana izy, izay nampifandraisina tamin'ny lamosin'ny sezan'ny fiangonana ireo latabatra azo aforitra. Nisy ihany koa ny sampana ambaratonga fototra nahitana mpianatra telo amby enimpolo, izay natao tao amin'ny galerian'ny fiangonana.
GSAM 392Vola Nangonina ho an'ny Kolejy
GSAM 392.1Ny Kaonferansa Jeneraly tamin'ny Martsa 1873 dia nandany fotoana be tamin'ny fandinihana ny maha-tokony hanangonam-bola hanorenana trano sahaza hanaovana sekoly an'ny fiangonana, izay hanomanana ireo mpiasa hiditra amin'ireo sehatra samihafa. Rehefa nankatoavina ny raharaha dia natsangana komity iray handray an-tanana ny fanangonana ny vola ilaina. Nandritra izany fotoana izany dia nisy lahatsoratra mahay sy manan-danja nivoaka tsindraindray tao amin'ny Review momba ity lohahevitra ity, nosoratan'ny Pasitera Butler, White, sy ny hafa, ary tamin'ny alalan'ny ezaka nataon'ny Pasitera Butler sy Haskell tamin'ireo fivoriana an-toby isan-karazany dia vola be no voaangona ho an'ilay sekoly nokasaina.
GSAM 392.2Nisy fivoriana hafa nataon'ny Kaonferansa tamin'ny 16 Novambra 1873, ka tamin'izany no nitatitra fa efa nampanantenaina ny $52,000 ho an'ny tahirim-bola ho an'ny fanabeazana an'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, izay hampiasaina amin'ny fahazoana tany sy fananganana trano mifanaraka amin'izany amin'ny taom-piasana manaraka. Tamin'ny alalan'ny latsa-bato, tamin'io fivoriana io ihany, dia nifidy komity iray misy olona fito mba hanangana fikambanana ara-panabeazana sy hitady toerana hanorenana ireo trano.
GSAM 392.3Tamin'ilay kaonferansa voalaza teo, voafidy ho Filohan'ny Kaonferansa Jeneraly i Geo. I. Butler, ary i Sidney Brownsberger ho Sekretera. Ireo mpikambana tao amin'ny komity voafidin'ny Kaonferansa Jeneraly dia i Geo. I. Butler, S. N. Haskell, ary Harmon Lindsay. Nampiana ny anaran'i James White, Ira Abbey, J. N. Andrews, ary Uriah Smith, mba hiara-hiasa amin'ny Komitin'ny Kaonferansa Jeneraly ho Komitin'ny Fito, izay nanangana ny “The Educational Society of the Seventh-day Adventists.” Nanomboka teo dia nifandray tamin'ny Kolejy Battle Creek ny Profesora Brownsberger mandra-piantsoana azy hitantana kolejy iray izay kasaina hosokafana tany Healdsburg, Kalifornia.
GSAM 393Tany 12 Akra Novidiana ho an'ny Kolejy
GSAM 393.1Tamin'ny 31 Desambra 1873, nividy tany mirefy roa ambin'ny folo akra ity komity ity tany amin'ny faritra andrefan'i Battle Creek, ka ny fito akra tamin'izany no nananganana ny tobin'ny Kolejy Battle Creek.
GSAM 393.2Nanokatra ny fotoam-pianarana ririnina tao amin'ny efitranon'ny trano birao fahatelo ny sekoly an'ny fiangonana tao Battle Creek tamin'ny 15 Desambra 1873, ary mpianatra folo amby zato no nisoratra anarana.
GSAM 393Ny Ilàna Sekoly An’ny Antokom-pinoana
GSAM 393.3Mikasika ny filantsika, amin'ny maha-fiangonana, ny fananana sekoly fanabeazana mety, dia nanoratra toy izao i Ramatoa White tamin'ny 1873:—
GSAM 393.4“Tokony ampiasaina sy hampivelarina ny hery rehetra ao amin'ny saina, mba hananan'ny lehilahy sy ny vehivavy saina voalanjalanja tsara. Feno lehilahy sy vehivavy tsy voalanjalanja ny tontolo izao, izay lasa toy izany satria nampivelarina ny andiana fahaiza-manaony iray raha kely anefa ny hafa noho ny tsy fampiasana azy. Tsy mahomby ny fanabeazana ny ankamaroan'ny tanora. Mianatra be loatra izy ireo sady manao an-tsirambina izay mifandraika amin'ny fiainana arak'asa....
GSAM 393Ilaina ny Fanabeazana Mifandanja
GSAM 393.5“Ny fianarana tsy an-kiato, araka ny fomba fitantanana ny sekoly ankehitriny, dia mahatonga ny tanora tsy ho afaka hiatrika ny fiainana azo ampiharina. Tsy maintsy miasa ny saina. Raha tsy miasa amin'ny lalana marina izy, dia hiasa amin'ny lalana diso. Mba hitazonana ny fifandanjan'ny saina, dia tokony hampiarahina ny asa sy ny fianarana any an-tsekoly.
GSAM 393.6“Tokony ho efa nisy fandaminana natao tamin'ireo taranaka teo aloha mba hanomezana fampianarana amin'ny ambaratonga lehibe kokoa. Tokony ho nisy toeram-pambolena sy toeram-pamokarana eo anilàn'ny sekoly. Tokony ho nisy mpampianatra asa an-tokantrano, ary tokony ho natokana ampahany amin'ny fotoana isan'andro ho an'ny asa mba hampiasaina mitovy ny hery ara-batana sy ara-tsaina. Raha efa natsangana araka ny drafitra voalaza ireo sekoly, dia tsy ho maro toy izao ankehitriny ireo saina tsy mifandanja. ”2
GSAM 394Kolejy Battle Creek
GSAM 394.1Tamin'ny fahavaratra sy fararano tamin'ny 1874 no naorina ny tranoben'ny Kolejy Battle Creek. Trano vita biriky izy io, misy rihana telo ambonin'ny lakaly, mirefy 75 x 75 tongotra, ary miendrika lakroa grika. Vita sy natokana tamin'ny lanonana manokana ny 4 Janoary 1875. Nanokatra ny sekoly tao amin'ity trano ity ka mpianatra maherin'ny zato sy mpampianatra fito mahay ho an'ireo sampana samihafa no tao. Rehefa nisokatra ny kolejy tamin'ny taom-pianarana 1877 dia voalaza fa mpianatra roanjato no nanatrika. Ny tatitry ny Educational Society, natao tamin'ny Kaonferansa Jeneraly tamin'ny Oktobra 1880, dia nampiseho fa nisy mpianatra 1400 nisoratra anarana tao amin'ny Kolejy Battle Creek nanomboka tamin'ny 1873 ka hatramin'ny Desambra 1880.
GSAM 394Sekoly Roa Fanampiny Nosokafana
GSAM 394.2Tamin'ny Kaonferansa Jeneraly, tamin'ny Desambra 1882, dia nisy tatitra nilaza fa nisy sekoly antokom-pinoana roa nosokafana teo ambany fiahian'ny kaonferansa nandritra ny taona, ny iray dia ny Kolejy Healdsburg, izay hita ao Healdsburg, Kalifornia, nosokafana tamin'ny 11 Aprily; ny iray kosa, ny Akademia South Lancaster, izay hita ao South Lancaster, Massachusetts, nosokafana tamin'ny 19 Aprily.
GSAM 394Kolejy Healdsburg
GSAM 394.3Tao amin'ny Review tamin'ny 15 Janoary 1884, nivoaka ity fanambarana mahaliana manaraka ity momba ny sekoly an'ny fiangonana ao amin'ny morontsiraka Pasifika:—
GSAM 394.4“Tamin'ny Septambra 1881, nanapa-kevitra ny Kaonferansa Kalifornia hanokatra sekoly an'ny fiangonana, ary nanendry komity iray hanatanteraka izany tetikasa izany. Tamin'ny Aprily 1882, efa voavidy ny tany malalaka, niaraka tamin'ny trano folo efitra mifanaraka tsara, efa noraisina mpampianatra roa, ary efa nanomboka ny sekoly nahitana mpianatra telo amby telopolo. Nandritra ny taom-pianarana (nanomboka ny 29 Jolay 1882), dia nahazo sata ofisialy ho kolejy ilay sekoly, novidiana tany fanampiny dimy akra, natsangana trano malalaka [ho an'ny tranon'ny mpianatra], voaangona mpampianatra enina, ary mpianatra 152 no nisoratra anarana. Hatramin'ny nisokafany dia efa ho $27,000 no nampanantenaina ho an'ilay tetikasa, ka ampahany betsaka tamin'izany dia naloan'ny mponin'i Kalifornia.”
GSAM 395Akademian'i South Lancaster
GSAM 395.1Nanomboka ny sekoliny tao amin'ny trano fivavahana tao South Lancaster, Mass., ny mponin'i New England. Noho ny ezaka tsy an-kiato nataon'ny Pasitera S. N. Haskell sy ny fahafoizan-tenan'ny olontsika tany New England, dia vonona natokana ho fampiasana ny andiana trano sekoly tamin'ny fararano 1884. Tamin'izany fotoana izany dia dimy ny isan'ny trano an'ny South Lancaster Academy Association, ka ny roa tamin'ireo dia vaovao tanteraka. Ny tranoben'ny akademia dia 60 x 65 tongotra, ary ilay trano vaovao iray hafa, dia ny tranon'ny mpianatra, dia 36 x 88 tongotra. Natokana tamin'ny 19 Oktobra 1884 ireo.
GSAM 395.2Ity sekoly ity, taorian'ny faha-21 taonany niasana tamim-pahombiazana, dia mbola miroborobo hatrany, ary efa nandefa mpiasa mazoto ho an'ny raharahan'ny Tompo tany amin'ny lafivalon'izao tontolo izao. Ny talen'ny akademia ankehitriny dia i Frederick Griggs, izay sady sekreteran'ny Departemantan'ny Fanabeazana ao amin'ny Kaonferansa Jeneraly ihany koa.
GSAM 395Sekoly Fanofanana any Londres (Angletera)
GSAM 395.3Rehefa nitohy nandroso sy nihamafy ny asa tany Londres, Angletera, dia noheverina fa tsara ny nanokatra sekoly fanofanana ho an'ny mpiasa amin'ny Baiboly tamin'ny fahavaratry ny taona 1887, izay nampifandraisina tamin'ny asa fampielezana Baiboly mavitrika. Avy amin'ity sekoly ity no nandefasana mpiasa hiasa tany amin'ny faritra hafa ao amin'ny Fanjakana Mitambatra sy ny Kolonia. Misy sekoly mivelatra tsara miasa amin'izao fotoana izao ao amin'ny Duncombe Hall, Avaratr'i Londres, izay tarihin'ny Prof. H. R. Salisbury, izay nahazo ny fanabeazana voalohany tao amin'ny kolejy tao Battle Creek, Mich.
GSAM 396Fanitarana ny Kolejy Battle Creek
GSAM 396.1Nanjary be dia be ny filàna toerana fanampiny tao amin'ny Kolejy Battle Creek ka tamin'ny fahavaratry ny taona 1886 dia tsy maintsy nanitatra be ny tranoben'ny kolejy, ary ny taona nanaraka (1887), dia nanorina trano fatoriana (fantatra amin'ny anarana hoe West Hall) ho an'ireo mpianatra vavy. Ny West Hall dia misy efitra ho an'ny mpianatra 150, ary 225 no azo raisina ao amin'ny efitrano fisakafoanana; raha ny South Hall, izay naorina tamin'ny 1884, any atsimon'ny tokotanin'ny kolejy, kosa no nampiantranoana ny mpianatra lahy. Tamin'ny fanokafana ny kolejy ho an'ny fotoam-pianarana ririnina 1886-87, dia nahatratra 568 ny isan'ny mpianatra nianatra tao.
GSAM 396.2Tamin'ny 1885 dia notendrena ho filohan'ny Kolejy Battle Creek ny Profesora W. W. Prescott, ary fotoana fohy taorian'izay dia voatendry ho Sekreteran'ny Fanabeazana ho an'ny antokom-pinoana. Hita fa hetsika feno fahendrena izany. Tsy ny Kolejy Battle Creek ihany no nisitraka, fa tamin'ny alalan'ny asan'ny sekretera toy izany, niaraka tamin'ny fitahian'Andriamanitra, dia niteraka firaisankina akaiky kokoa sy fahombiazana lehibe kokoa teo amin'ny asan'ny sekolintsika rehetra an'ny antokom-pinoana.
GSAM 396Kolejy Misionera Emmanuel
GSAM 396.3Nanao asa mahomby ny Kolejy Battle Creek hatramin'ny taona 1901, rehefa nivarotra ny tany sy ny trano tamin'ny American Medical Missionary College Association, ka nofoanana ilay fikambanana ara-panabeazana. Nisy fikambanana kolejy vaovao natsangana avy hatrany, antsoina hoe Kolejy Misionera Emmanuel. Nisy toeram-pambolena azo teo akaikin'i Berrien Springs, any atsimo-andrefan'i Michigan, izay nanorenan'ny mpianatra trano, ary itantana sekoly miroborobo any. Tanjona raikitry ny sekoly ity ny hanome “fanabeazana feno,” mifanaraka amin'ny toromarika voalaza tany amin'ny fizarana teo aloha tamin'ity toko ity. Ny hanomana mpiasa ho tena vonona tanteraka amin'ny asa na aiza na aiza amin'izao tontolo izao izay mety hiantsoan'Andriamanitra azy ireo hiasa, no faniriana sy tanjona lehibe tokana ho an'ireo mpampianatra ao amin'ny Kolejy Misionera Emmanuel.
GSAM 397Sekoly Baiboly Foibe, Chicago, Ill.
GSAM 397.1Tao anatin'ny Review tamin'ny Martsa 1887, nisy tolo-kevitra napetrak'i Pasitera Geo. I. Butler hanorina trano iray ho an'ny misiona ao Chicago, Ill., izay tokony ho sekoly Baiboly foibe ho an'ny fampianarana ireo mpiasa amin'ny Baiboly, ary amin'izay fotoana izay ihany dia azo ampiasaina ho trano fiangonana kely sy trano misiona ho an'ny vahoakantsika ao an-tanàna. Tamin'ny fararano sy ririnina tamin'ny 1888-89 no natsangana ilay trano. Ny vidiny, tafiditra ao anatin'izany ny tany, ny trano, ny fanaka, sns., dia manodidina ny $28,000. Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 4 Aprily 1889 izy io, tamin'ny alalan'ny seminera ho an'ny mpivarotra boky. Tamin'ny fotoana nanokanana azy dia nambara fa ny olontsika dia nahafantatra olona iray arivo farafahakeliny izay efa nandray ny fahamarinana ankehitriny tany amin'ny faritra samihafa teto amin'ny firenena noho ny ezaka nataon'ireo mpiasa tamin'ny Baiboly.
GSAM 397.2Notantanin'ny Pasitera Geo. B. Starr tamim-pahombiazana ity sekoly ity hatramin'ny lohataonan'ny taona 1891. Avy eo, niaraka tamin'ireo mpampianatra voatendry avy amin'ny Komitin'ny Kaonferansa Jeneraly, dia nanohy ny asany izy io hatramin'ny taona 1893, ka tamin'izany no hita fa tsy ampy ny trano hiatrehana ny fitomboan'ny fangatahana fampianarana Baiboly. Rehefa nisy ny fandaminana hanampiana sekoly Baiboly ao amin'ny Kolejy Battle Creek, dia namidy tamin'ny Medical Missionary and Benevolent Association ilay trano tany Chicago. Nohalehibeazina ilay trano ary namboarina ho toeram-pitsaboana kely, ary antsoina ankehitriny hoe Sampana Chicago an'ny Toeram-pitsaboana Battle Creek.
GSAM 397Kolejy Union, Nebraska
GSAM 397.3Ny Kaonferansa Jeneralin'ny taona 1889 dia nandinika ny tolo-kevitra hanorina kolejy amin'ny toerana mety ho an'ireo kaonferansa sivy isam-panjakana manaraka ireto, dia i Iowa, Minnesota, Kansas, Missouri, Nebraska, Dakota, Texas, Colorado, ary Arkansas. Noho izany dia nanendry komity ny kaonferansa izay andraikiny ny nifidy toerana mety ho an'ny sekoly. Rehefa fantatry ny mponina tany amin'ny toerana toa an'i Des Moines, Iowa, Fremont sy Lincoln, Nebraska, ary toerana hafa, ny zavatra kasainay hatao, dia nifaninana samy teo amin'ny fanolorana fanomezana ho an'ilay tetikasa izy ireo, satria samy naniry mafy ny hahazoana ireo trano hapetraka ao an-tanànany avy. Koa satria i Lincoln, Nebraska, no nanolotra ny fanomezana malalaka indrindra, ary noheverina ho toerana azo tanterahina indrindra, dia napetraka tany ilay sekoly.
GSAM 398.1Ny trano lehibe, dia ny Kolejy Union mihitsy, dia trano mirefy 141 x 84 tongotra. 100 tongotra ny haavony manomboka eny amin'ny tany ka hatrany an-tampon’ny tafo boribory. Ankoatra ity trano ity dia misy trano fatoriana roa, izay samy mirefy 104 x 104 tongotra ny lafiny ary telo rihana ny haavony. Nandrasana fa ny vola azo avy amin'ny tany natolotra dia hanefa farafahakeliny ny antsasaky ny fandaniana amin'ny fanamboarana ity kolejy foibe an'ny fiangonana ity, izay hanofanana ireo mpiasa ao amin'ny sampana misaraka amin'ny teny Anglisy, Skandinaviana, ary Alemana, ary ireo mpampianatra dia hiteny ny tenin-tanindrazany avy.
GSAM 398.2Natokana ny 24 Septambra 1891 ireo trano, ary nisokatra ny 30 Septambra ny sekoly. 301 ny isan'ny mpianatra nisoratra anarana tamin'ny taona voalohany. Tamin'ny 1892, nisokatra ny sekoly ka 222 ny isan'ny mpianatra nanatrika, ary 553 ny isan'ny mpianatra nisoratra anarana tamin'io taona io. Tamin'ireo, 71 no tao amin'ny sampana Alemana, ary 85 tao amin'ny sampana Skandinaviana.
GSAM 398.3Misy toeram-pambolena mifandray amin'ny kolejy, izay manome asa ho an'ireo mpianatra maniry hiasa amin'ny sehatry ny fambolena. Manana toeram-panamboarana mofo ihany koa ny kolejy, izay anamboarana sakafo mahasalama amin'ny ampahany. Tamin'ny taona 1903 dia nisy fikambanana natsangana mba hanontana gazety sy boky amin'ny teny Alemana, Soedoa, ary Danemark-Norveziana. Ity fikambanana ity no tompon'ny trano printiny manokana sy ny asa fanontam-pirinty rehetra an'ny antokom-pinoana ho an'ireo foko ireo any Amerika. Ny mpianatra no tena mitondra ny asa. Tsy vitan'ny hoe ampianarina ny asa fanontam-pirinty izy ireo, fa mahazo traikefa ihany koa amin'ny alalan'ny fanaovana mivantana ny asa misiona.
GSAM 398.4Hita ihany koa ny asa ara-pitsaboana mifandray amin'ity kolejy ity. Noho ny fitsitsiana toerana dia hita fa afaka manala ny iray amin'ireo trano fatoriana lehibe ny sekoly, ary noho izany, tamin'ny vola kely, dia nampandehanina toeram-pitsaboana ara-pahasalamana iray, ary manao asa tena tsara izy io.
GSAM 399Kolejy Walla Walla
GSAM 399.1Ity sekoly ity dia hita akaikin'i Walla Walla, ao amin'ny Fanjakan'i Washington, ary natokana tamin'ny 8 Desambra 1892. Nisokatra ny sekoly ny andro talohan'izay ka mpianatra 101 no nanatrika. Nitombo ho 185 io isa io nandritra ny taona. Misy toeram-pambolena kely sy asa indostrialy hafa mifandray amin'ity sekoly ity. Miroborobo tsara izy ary manao asa tsara. Ny Profesora J. L. Kay no mitarika ny mpampianatra amin'izao fotoana izao.
GSAM 399Sekoly Aostraliana
GSAM 399.2Ny 24 Aogositra 1892, nosokafana tany Melbourne, Aostralia, ny sekoly iray tao anaty trano hofaina, niaraka tamin'ny mpampianatra dimy. L. J. Rousseau, avy ao amin'ny Kolejy Battle Creek, Michigan, no talen'ny sekoly voalohany. Tamin'ny taona 1894, nahatratra 89 ny isan'ny mpianatra nisoratra anarana tao amin'ity sekoly ity.
GSAM 399Fifindrana tany Avondale
GSAM 399.3Koa satria naniry ny hampifandray ny asa sy ny fianarana ireo mpampiroborobo ny sekoly, dia noheverina fa tsara ny hanova toerana, ka nifindra avy tao amin'ny tanàn-dehibe Melbourne nankany Avondale, Cooranbong, New South Wales, izay distrika ambanivohitra. Tao no nahazoana toeram-pambolena iray sy nananganana trano mifanaraka amin'izany. Amin'izao fotoana izao dia mandeha tsara amin'ny fomba indostrialy ny fitantanana ny sekoly.
GSAM 399Fahatanterahan'ny Faminaniana momba an'i Avondale
GSAM 399.4Tamin'ny nananganana sy fitantanana azy dia tanjon'ny komity ny hampandeha ny sekoly araka izay azo atao mifanaraka amin'ny toromarika nomena momba ny sekoly arak'asa. Tokony ho “sekoly modely” izy io, ary nomena toky imbetsaka fa raha tantanana araka ny mety dia hahomby izy, tsy amin'ny maha-sekoly azy ihany, fa ny tany tenany, izay noheverina ho tsy misy vidiny, dia hamokatra. Ny fotoana, miaraka amin'ny fitahian'ny Tompo, no nanaporofo ny fahamarinan'ilay faminaniana. Na dia teo aza ny hain-tany mahery nandritra ny taona maro nifanesy, izay nitondra loza ho an'ny fambolena sy ny tsy fahombiazan'ny vokatra nanerana ny faritra, dia maitso sy namokatra ny toeram-pambolena Avondale. Zava-nitranga miavaka tokoa izany, ka tonga nanadihady ny tompon'andraikitry ny governemanta mba hahalala ny fomba fambolena nampiasaina nahazoana izany fahombiazana mahatalanjona izany.
GSAM 400.1Ny tatitra momba ny fandehan'ny sekoly tamin'ny taona 1903 dia mampiseho fitomboana dimampolo isan-jato teo amin'ny isan'ny mpianatra. Tsara ihany koa ny toe-bolany—voaloa avokoa ny fandaniana rehetra, ary nisy ambin'ny $1,500 tao amin'ny vata-bola ho an'ny tombontsoan'ny sekoly. Ny Prof. C. W. Irwin no mpitantana sy talen'ny sekoly nandritra ny efa ho efa-taona.
GSAM 400Akademian'i Mt. Vernon
GSAM 400.2Ny Kaonferansa Jeneraly, tamin'ny 1893, dia nandany fanapahan-kevitra manohana ny fanokafana akademia iray ao Mt. Vernon, Ohio. Manana sampana ara-indostria mifandray aminy ity sekoly ity, ary voalaza fa manao asa tsara. Ny isan'ny mpianatra nisoratra anarana tamin'ny taona 1894 dia 140. Ny Profesora J. W. Loughhead no talen'ity sekoly ity nandritra ny taona maromaro, mandra-piantsoana azy tany Washington, D.C. Ny adiresin'ny sekoly dia Academia, Ohio.
GSAM 400Sekoly Indostrialy Keene
GSAM 400.3Ny Kaonferansa Jeneraly tamin'ny 1893 dia nankato ny fanokafana sekoly indostrialy iray tao Keene, Texas. Nahazo toeram-pambolena mirefy maherin'ny 130 akra, natsangana trano, ary nosokafana teo ambany fitarihan'ny Profesora C. B. Hughes sy ireo mpanampy azy ilay sekoly. Tontosaina mifanaraka amin'ny drafitra fampiraisana ny asa sy ny fianarana izy io. Nahatratra 160 ny isan'ny mpianatra tamin'ny 1894. Ity sekoly ity koa dia tena nahomby tokoa.
GSAM 400Kolejy Union Claremont
GSAM 400.4Ity sekoly ity dia hita ao Kenilworth, akaikin'i Cape Town, Afrika Atsimo. Ny ankamaroan'ny mpampianatra ao dia nalaina avy tao amin'ny Kolejy Battle Creek. Nisokatra tamin'ny 1894 izy, ary mpianatra sivy-polo no nisoratra anarana. Rehefa nifarana ny taom-pianarana voalohany, dia nitombo be ny isan'ny mpianatra ka tsy maintsy nanome toerana bebe kokoa tamin'ny alalan'ny fanitarana ny trano sekoly. Ny kolejy amin'izao fotoana izao dia eo ambany fanaraha-mason'ny Profesora C. H. Hayton.
GSAM 401.1Ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito koa dia nampandeha sekoly ambaratonga fototra tao an-tanàna kely tao Claremont izay nahitana mpianatra fito-polo, ary sekoly fiangonana tao Beaconsfield, izay nahitana mpianatra telopolo tamin'ny taona 1894.
GSAM 401Famintinana ny Asa Fanabeazana, 1895
GSAM 401.2Ity tatitra manaraka ity no nataon'ny sekretera misahana ny fanabeazana ho an'ny Kaonferansa Jeneraly tamin'ny Febroary 1895:—
GSAM 401.3“Ny fotodrafitrasa ara-panabeazana an'ny fiangonana dia azo fintinina toy izao manaraka izao: Misy kolejy dimy hita amin'ireto toerana ireto: any Battle Creek, Mich.; College View, Neb.; Healdsburg, Cal.; College Place, Wash.; ary Kenilworth, Afrika Atsimo. Misy akademia efatra, na sekoly manao ny asan'ny kilasy akademika eto amin'ity firenena ity, any South Lancaster, Mass.; Mt. Vernon, Ohio; Keene, Texas; ary Graysville, Tenn.... Ankoatra ireo dia misy ny Sekoly Baiboly Aostraliana; sekoly iray any Meksika mifandray amin'ny iraka ara-pitsaboana; sekoly ho an'ny ankizy teratany ao amin'ny Nosy Pitcairn; ao Raiatea, an'ny vondrona Society; any amin'ny Ranomasimbe Pasifika Atsimo; ao Bonacca an'ny Nosy Bay ao amin'ny Ranomasina Karaiba; sekoly fiangonana manodidina ny dimy ambin'ny folo eto an-toerana sy any ivelany; sekoly Baiboly roa an'ny Kaonferansa Jeneraly; ary sekoly maromaro an'ny mpivarotra boky sy an'ny kaonferansa eo an-toerana izay tsy voarindra ara-dalàna.”
GSAM 401.4Raha nanome famintinana momba ny isan'ny mpianatra ao amin'ireo kolejy sy sekoly mahazatra an'ny fiangonana ny sekretera dia nilaza hoe: “Araka ny tombana azo antoka, misy mpianatra maherin'ny 3.000 amin'ny sokajin-taona rehetra voasoratra anarana ao amin'ireo sekolin'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito amin'izao fotoana izao.”
GSAM 402Famintinana ny Andrim-pampianarana, 1903
GSAM 402.1Ny asa sy ny andrim-pampianarana ara-panabeazana eo anivon'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia nitombo araka ny fivoaran'ny sampana hafa amin'ny hafatra. Araka ny hita ao amin'ny General Conference Year Book tamin'ny 1904, dia misy kolejy sy akademia sivy any Amerika amin'izao fotoana izao, ary dimy any amin'ny firenena hafa. Ireo any amin'ny firenen-kafa dia hita amin'ireto toerana ireto: Ao Avondale, New South Wales; Kenilworth, Claremont, akaikin'i Cape Town, Afrika Atsimo; Holloway, Londres, Avaratra, Angletera; Nyhyttan, Järnboås, Soeda; Friedensau, akaikin'i Magdeburg, Alemaina.
GSAM 402.2Misy sekoly ambaratonga faharoa efatra ambin'ny folo any Amerika; dimy kosa any amin'ny firenen-kafa. Ireo farany ireo dia hita any Copenhagen, Danemarka; Honolulu, Faritany Hawai; Diamante, Entre Rios, Repoblika Arzantina, Amerika Atsimo; Curityba, Brezila, Amerika Atsimo; Brusque, Brezila, Amerika Atsimo.
GSAM 402.3Ankoatra ireo toeram-pampianarana voalaza etsy ambony, dia misy sekoly fiangonana eo an-toerana miisa 357 tantanan'ny fiangonana. Amin'ireo, ny 317 dia any Etazonia, ary ny efapolo any amin'ny firenena hafa. Raha nanana antontan'isa marina hatramin'izao izahay, dia ho nitombo be ireo isa ireo. Nisokatra ny sekoly maro nanomboka tamin'ny faran'ny taona 1902. Ohatra, ny Kaonferansa Nebraska dia nitatitra fa nanana sekoly fiangonana folo. Tamin'ny 1 Febroary 1904, ny tatitry ny kaonferansa dia naneho fa “sekoly fiangonana efatra amby roapolo,” fitomboana efatra ambin'ny folo tao anatin'ny kaonferansa iray.
GSAM 402.4Tena nitarika tamin'ny fomba mahagaga sy nanokatra ny lalana ho an'ny asa fanabeazana teo anivon'ity vahoaka ity tokoa ny tanan'ny Tompo mitarika. Enga anie Izy hanome fahendrena ho an'ireo voaantso hitantana ity sampan'ny asany ity, mba hitondrana ireo sekoly isan-karazany araka ny drafitra efa nolazainy. Dia hisy andiana mpiasa mahomby sy voaomana tsara ho an'ny Tompo maro be, fa tsy lehilahy sy vehivavy “tsy feno” eo amin'ny fanabeazana sy ny toetra. Namoaka ny teny ny Tompo, hoy ilay mpanao salamo, ary lehibe ny andiany [tafika, amin'ny fanamarihana] izay nampiely izany.