Toko faha-11 — Hafatry ny Anjely Faharoa
GSAM 171.1“Ary nisy anjely iray koa nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona, ilay tanàna lehibe, satria nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezeran'ny fijangajangany” (dikan-teny ara-bakiteny avy amin'ny KJV).1
GSAM 171.2“Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin'ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin'ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.”2
GSAM 171.3Ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpanompony dia nampihetsika an'izao tontolo izao tamin'ny hafatra hoe, “tonga ny andro fitsarany;”,—hafatra izay mety ho nampiray ny olony rehetra milaza ho mino raha nety izy ireo. Io no antso voalohany ho amin'ny “sakafo harivan'ny fampakaram-bady.” Efa nambara amin'“izay efa nasaina”.3 Rehefa nolavina tamin'ny fialan-tsiny isan-karazany ity antso ity, dia nisy antso faharoa natolotra, mifanaraka amin'ny hafatry ny anjely faharoa.4 Tamin'ity antso ity dia nanavaka vahoaka ny Tompo mba handeha hatrany amin'ny faran'ny andro miaraka amin'ny hazavana mandroso amin'ny fahamarinany.
GSAM 171Antso Faharoa ho amin'ny Sakafo Fampakaram-bady
GSAM 171.4Ny hafatra faharoa—ilay manaraka ny antso tamin'ny ora fitsarana—dia milaza hoe: “Rava! rava Babylona, ilay tanàna lehibe, satria nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezeran'ny fijangajangany” (dikan-teny ara-bakiteny avy amin'ny KJV). Ary ny antso faharoa ho amin'ny sakafo hariva dia milaza hoe: “Mandehana faingana ho eny amin'ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.” Ao amin'ireo soratra masina ireo tsirairay avy dia antsoina hoe “tanàna” ireo olona milaza fa manaraka ny Tompo. Noho ny finoan'izy ireo mifanohitra sy mikorontana dia antsoina hoe “Babylona” izy ireo. Amin'ny soratra masina hafa iray manondro ny fotoana farany, dia hitantsika fa mialoha kely ny fahatongavan'ny Tompo dia antsoina hivoaka avy ao amin'ny “Babylona” ny olony: “Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina.... Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.”5
GSAM 172“Tsarovy ny Fomba Nahenoanao”
GSAM 172.1Ao amin'ny fampianarana ho an'ny fiangonan'i Sardisy dia vakintsika hoe, “Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao.”6 Toa nivoaka tamin'ny alalan'ny Fanavaozana ny fiangonan'i Sardisy, taorian'ny vanim-potoana maizina niasan'i “Jezabely”—ilay fiangonana mpivadika. Nolazaina tamin'ny fiangonan'i Sardisy fa fiangonana velona izy; saingy rehefa nandre sy nandà ny fampianarana momba ny fahatongavan'ny Tompo izy, dia nametraka ny tenany tamin'ny toerana mety ho tratran'izany zava-mitranga izany toy ny mpangalatra amin'ny alina. Koa, araka ny voalazan'ny apostoly Paoly ao amin'ny 1 Tesaloniana 5:1-5, dia izany no ho toetry ny izay mihoraka hoe: “Miadana sy mandry fahizay,” rehefa akaiky ny fahatongavan'ny Tompo. Ireo izay manaraka ny fahazavan'ny fahamarinana dia antsoina hoe “zanaky ny andro,” ary tsy ho tonga aminy toy ny mpangalatra ny Tompo.
GSAM 172.2Amin'ity famaritana ara-paminaniana momba ireo fiangonana fito ity, dia hitantsika fa ny fianjeran'ny fiangonan'i Sardisy dia arahin'ny fiangonan'i Filadelfia avy hatrany, na (araka ny dikan'ny teny) fiangonan'ny fitiavana ara-pihavanana. Ireo tokoa no mpino 50.000 izay, tamin'ny alalan'ny hafatr'ilay anjely faharoa, dia nalaina avy tamin'ireo fiangonana isan-karazany rehetra, ary nampiraisina tamin'ny rohim-pitiavana ara-pihavanana iray teo amin'ny fahamarinana lehibe momba ny fahatongavan'i Kristy eo no ho eo.
GSAM 173Ny Fomba Nampielezana ny Hafatra Faharoa
GSAM 173.1Ny Midnight Cry tamin'ny 12 Septambra 1844 dia ahitana fanambarana nataon'ny Pasitera J. V. Himes mikasika ny hafatr'ilay anjely faharoa, sy ny toe-javatra nitarika ho amin'ny fanambarana izany. Ny taratasiny dia nasiana daty tany McConnelsville, Ohio, tamin'ny 29 Aogositra 1844, ary toy izao no voalaza ao:—
GSAM 173.2“Rehefa nanomboka ny asa niaraka tamin'i Rahalahy Miller izahay tamin'ny 1840, dia efa sivy taona no nanaovany famelabelarana. Nandritra izany fotoana izany dia saika irery izy no nitsangana. Saingy tsy an-kiato sy nahomby ny asany tamin'ny fampifohazana ireo mpiaiky finoana momba ny tena fanantenan'ny vahoakan'Andriamanitra, sy ny fiomanana ilaina amin'ny fahatongavan'ny Tompo; ary koa tamin'ny fampifohazana ny sokajin'olona rehetra tsy mbola niova fo mba hahatsapa ny fahaverezan'izy ireo, sy ny adidiny amin'ny fibebahana avy hatrany sy ny fiovam-po mankany amin'Andriamanitra, ho fiomanana hihaona am-pilaminana amin'ny Mpampakatra amin'ny fahatongavany. Ireo no tanjona lehibe tamin'ny asany. Tsy niezaka ny hanova ny olona ho an'ny sekta na antoko ara-pivavahana izy.
GSAM 173.3“Rehefa resy lahatra tamin'ny fahamarinan'ny fahatongavan'ny Tompo efa akaiky izahay, ary nanaiky ilay fampianarana ampahibemaso, dia nitovy ny fomba fijerinay, ary nitovy koa ny lalana narahinay teo anivon'ireo sampana ara-pinoana samihafa, izay niantsoan'ny fitondran'Andriamanitra anay mba hiasa. Nolazainay tamin'ireo mpitandrina sy fiangonana fa tsy anisan'ny asanay ny manapotika azy ireo, na mampisaraka sy manakorontana azy ireo: Nanana tanjona iray mazava izahay, dia ny manao ny ‘fiantsoana’, ny fampitandremana momba ny fitsarana ‘eo am-baravarana,’ ary mandresy lahatra ny olon-kafa mba hiomana amin'izany.... Ireo mpitandrina sy mpikambana izay nisitraka ny asa fampielezanay, nefa tsy nandray tamim-pahatsorana ny fampianarana, dia nahita fa tsy maintsy na hanaraka ny fampianarana izy ireo, ka hitoriteny sy hanohana izany, na amin'ny fotoan-tsarotra izay efa nanjo azy ireo, dia hanana fahasahiranana amin'ireo mpino tapa-kevitra sy hentitra izy ireo. Noho izany dia nisafidy ny tsy hanaraka ny fampianarana izy ireo, ary nanapa-kevitra, ny sasany tamin'ny paikady iray ary ny sasany tamin'ny paikady hafa, fa hampangina ny resaka. Izany dia nametraka ny rahalahy sy anabavintsika teo anivon'izy ireo tamina toerana tena sarotra tokoa. Ny ankamaroan'izy ireo dia tia ny fiangonany, ary tsy nahita akory ny handao izany. Saingy rehefa nesoesoina, notery, ary tamin'ny fomba isan-karazany no nanesorana azy ireo tamin'ireo tombontsoa sy fahafinaretana taloha, ary rehefa nosakanana taminy ny sakafo ara-potoana, ary nenoina teny an-tsofiny isaky ny Sabata ny feon-kira mamitaky ny ‘Miadana sy mandry fahizay,’, dia vetivety dia nesorina tamin'izy ireo ny fironany ara-pikambanana, ary nitsangana tamin'ny voninahitr'ny heriny izy ireo, nanary ny zioga, ary nanao antso hoe, ‘Mialà aminy ianareo, ry oloko.’
GSAM 174Ao anatin'ny Toe-javatra Sarotra
GSAM 174.1“Ity toe-javatra ity dia nametraka anay tamin'ny toerana sarotra, (1) Satria efa tamin'ny faran'ny fotoana faminanianay izahay, izay nanantenanay fa hanangona ny olony rehetra ho iray ny Tompo; ary (2) dia nanambara fampianarana hafa foana izahay; ary ankehitriny rehefa niova ny toe-javatra, dia ho heverina ho tsy marina izahay raha miray amin'ny antso fampisarahana sy fandravana ireo fiangonana izay nandray anay sy ny hafatray. Noho izany dia nisalasala izahay, ary nanohy nitana ny toerana voalohany noraisinay, mandra-pahatonga ny fiangonana sy ny mpitandrina nitondra ny raharaha ho lavitra loatra, ka voatery izahay, noho ny tahotra an'Andriamanitra, handray toerana hiaro ny fahamarinana sy ireo zanaky ny Andriamanitra voahitsakitsaka.
GSAM 174Ohatra Apostolika ho an'ny Lalantsika
GSAM 174.2“‘Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano.’7 Rehefa ‘nikiribiby ny sasany’ sy ‘niteny ratsy izany fampianarana izany [ny fahatongavan'ny Tompo] teo imason'ny olona maro’ vao voatosika ny rahalahintsika ka nivoaka sy nisaraka tamin'ireo fiangonana. Tsy nahazaka izany ‘fiteny ratsy’ nataon'ireo mpanompo ratsy izy ireo, ary ireo fiangonana izay nanaraka ny lalan'ny fanerena sy ny ‘fiteny ratsy’ tamin'ireo niandry ny ‘fanantenana sambatra’, dia tsy nisy hafa fa zanakavavin'i Babylona mistery ho azy ireo. Nambarany izany, ary tonga tamin'ny fahafahana entin'ny filazantsara izy ireo. Ary na dia mety tsy hitovy hevitra aza isika rehetra momba izay mamorona an'i Babylona, dia mitovy hevitra kosa isika amin'ny fisarahana eo no ho eo sy tanteraka amin'izay rehetra manohitra ny fampianarana momba ny fahatongavan'ny Tompo sy ny fanjakany efa akaiky. Mino izahay fa raharaha mahakasika ny aina sy ny fahafatesana izany. Fahafatesana ny mitoetra ho mifandray amin'ireo antokom-pinoana izay manao tsinontsinona na manohitra ny fahatongavan'ny Tompo. Fiainana kosa ny mivoaka amin'ny fomban'olombelona rehetra, sy mijoro amin'ny tenin'Andriamanitra, ary miandry isan'andro ny fisehoan'ny Tompo. Noho izany, dia lazainay ankehitriny amin'izay rehetra voafandrika amin'ny fomba rehetra amin'ny ziogan'ny fanandevozana hoe: ‘Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha.’”8
GSAM 175Fanoherana Tsy Azo Hazavaina
GSAM 175.1Toy izao no nolazain'i Wm. Miller momba ny fifandirana nisy tamin'izany fotoana teo amin'ny fiangonana sy ny Advantista:—
GSAM 175.2“Tena tsy ara-boajanahary sy tsy azo hazavaina ny fandroahan'ny fiangonana Kristiana ity fampianarana ity sy ny mpikambana ao aminy noho ity fanantenana masina ity. Fantatro fa misy amin'ireo fiangonana Batista milaza fa tsy manilika azy ireo izy ireo noho ny finoany, fa noho ny fiombonany amin'ireo mpino ny fahatongavana. Raha tsy noho ny finoany amin'ny Mpamonjy ho avy àry izany, nahoana aho no voaràra tsy hiteny eny amin'ny sehatra fampianarany, nefa tsy mbola niombona na tamin'ny fiangonana afa-tsy fiangonana Batista aho? Fialan-tsiny lainga izany. Saingy tsy mety ho izany no fialan-tsiny ataon'ny Metodista sy ny Presbiteriana; fa mino ny fiombonana mifangaro izy ireo. Inona no anton'ny fandroahan'izy ireo? Naheno aho fa nisy nesorina noho ny fihirana hira momba ny fiavian'ny Tompo fanindroany; ny hafa noho ny hadalana, nefa ny hany porofo hadalana nampiasaina hanohitra azy ireo dia ny hoe niandry an'i Kristy izy ireo. Ry Andriamanitra ô, ‘mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.’”
GSAM 176Storrs momba ny Toetran'ny Fiangonana
GSAM 176.1Niresaka momba ny fihetsiky ny fiangonana manoloana ny Advantista i George Storrs, tamin'izao fomba izao:—
GSAM 176.2“Iza amin'izy ireo, amin'izao fotoana izao, no tsy miteny hoe: Mipetraka toy ny ‘mpanjakavavy aho’? Ary iza amin'izy ireo no tsy mampifaly ny tenany amin'ny hevitra hoe indray andro any dia handresy izao tontolo izao izy ireo, ka ho voatàna eo ambany finoany izany? Iza amin'izy ireo no hamela fanahy hipetraka aminy am-pilaminana, izay manambara an-karihary sy tsy am-pahatahorana ny finoany ny fahatongavan'ny Tompo efa akaiky? Tsy izany ve no fepetra ahafahana mitoetra am-pilaminana eo anivon'izy ireo, dia ny hoe ‘hitsahatra tanteraka’ ianao tsy haneho ampahibemaso ny finoanao ny fahatongavan'ny Tompo amin'ity taona ity, na inona na inona faharesen-dahatrao momba izany, ary na manao ahoana na manao ahoana aza ny fahatsapanao ny maha-zava-dehibe ny hiantso hoe: ‘Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany’?”
GSAM 176Ny Fanambaran'i Mansfield
GSAM 176.3L. D. Mansfield, nanoratra avy any Oneida, N.Y., tamin'ny 21 Martsa 1844, dia manao ity fijoroana vavolombelona ity:—
GSAM 176.4“Miasa eo an-tsain'ireo zanany malalany izay miandry ny Tompo avy any an-danitra Andriamanitra, ka mitarika azy ireo tsy vitan'ny hoe hihaino ilay anjely ‘nanana filazantsara mandrakizay hotorina, hoe: tonga ny andro fitsarany,’ fa hanaraka ihany koa ny didy manaraka hoe, ‘Mialà aminy ianareo, ry oloko!’ Mino tanteraka kokoa noho ny hatramin'izay aho fa ny fikambanana ara-pivavahana ankehitriny dia ampahany lehibe amin'ilay Babylona izay ho rava amin'ny herisetra, ka tsy ho hita intsony mihitsy.... Toa hitako anefa fa amin'ny sasany amin'ireo fikambanana ireo no tena mampiseho indrindra ny fitoviana amin'ilay tandroka kely. Hisy ohatra vitsivitsy hanazava izany.
GSAM 176Ny Toe-tsain'ny Andian'olona Mikomy Hita Miharihary
GSAM 176.5“Nisy rahalahy iray izay niasa tamim-pahombiazana lehibe teto amin'ity faritra ity, tamin'ny fanambarana ny fahatongavan'ny Tompo, nanao fotoana hanaovana lahateny tany amin'ny toerana iray tamin'ny fotoana voatondro. Nalamin'ny Tompo ka enina ambin'ny folo maily miala tamin'ilay toerana voatondro izy, fa nisy mpitandrina _____ teo an-toerana, nitarika andian'olona mpanao herisetra, nitondra tara sy volom-borona, mba hametrahana izany tamin'ilay mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra. Ity mpitandrina ity ihany no nanomboka fivoriana fanentanana lava tsy ela taorian'izay, saingy nangatsiaka sy nivaingana toy ny ranomandry avy any Avaratra ny zava-drehetra—tsy nisy fanahy nifoha na niova fo. Tamin'ny farany dia nilaza ilay mpitandrina fa mino izy fa ‘tsy maintsy hipetraka eo amin'ny seza ho an'ny malahelo.’
GSAM 177.1“Nisy mpitarika kilasy iray teto an-tanàna nilaza tamin'ny kilasiny fa hatramin'ny nanombohanay nitana fivoriana teto, raha misy olona miditra ao an-tranony ka milaza fa mino izy fa ho avy i Kristy amin'ity taona ity, dia horoahiny hivoaka ny trano.”
GSAM 177Adidy ho an'ny Fiangonana
GSAM 177.2Amin'izao fotoana izao dia hitondra fanambarana avy amina lahateny natao tamin'ny fihaonamben'ny mpino mpiandry ny fahatongavana izay nivory tany Boston, Mass., tamin'ny 31 Mey 1844, nosoniavin'i Wm. Miller, Elon Galusha, N. N. Whiting, Apollos Hale, ary J. V. Himes. Hoy izy ireo:—
GSAM 177.3“Mikasika ny adidinay amin'ny fiangonana dia afaka miteny teny vitsivitsy ihany koa izahay. Ny loza eto, tahaka ny amin'ny ankamaroan'ny tranga hafa, dia toa hita amin'ny fihoa-pampana. Ny endrika voalohany amin'izany loza izany dia ny famelana ny fahefan'ny fiangonana izay mety hifandraisanay hanery anay hangina amin'ny fanontaniana momba ny adidy toy izao. Tsy isalasalana fa an'arivony no olona nampiditra ny tenany tao anatin'ny fanamelohana eo anatrehan'Andriamanitra noho ny fanekena ireo fitakiana tsy araka ny Soratra Masina avy amin'ny fiangonany momba ity raharaha ity, izay, raha toa ka tapa-kevitra sy mahatoky izy ireo, dia ho tao anatin'ny toe-javatra azo antoka kokoa sy mahasoa kokoa ankehitriny, na dia mety ho antsoina hiharam-pahoriana aza izy ireo.
GSAM 177.4“Ny endrika faharoa amin'ny loza dia ny fanaiky ny fanahy famaly faty amin'ireo fiangonana noho ny tsy rariny nataon'izy ireo tamintsika, sy ny fanaovana ady ankapobeny amin'ireo fikambanana rehetra toy izany. Raha ny adidin'ny Advantista, mikasika ireo fiangonana izay mety hiarahany, raha antsoina hanao izany izahay, dia tsy afaka manome toromarika azo ampiharina amin'ny ankapobeny. Tsy maintsy manao ny asany amin'ny fanajana an'Andriamanitra izy ireo, araka izay takian'ny toe-javatra.
GSAM 178.1“Na izany aza, tokony ho tapa-kevitra isika amin'ny fanaovana ny adidintsika, amin'ny fijoroana ho vavolombelona ho an'ny fahamarinana amin'ny fotoana rehetra mety sy sahaza. Ary raha amin'ny fanaovana izany no mahatonga antsika hanafintohina ny fiangonana, ka rahonan'izy ireo horoahina isika raha tsy mangina (na dia mety ho tsara kokoa aza ny manapaka ny fifandraisantsika amin'ny fiangonana am-pirahalahiana raha hitantsika fa mety izany), dia aoka isika hanao ny adidintsika, ary rehefa voaroaka isika, dia mahareta amin'ny fiaretana ny tsy rariny, ary vonona miaraka amin'ny Tompontsika ‘hivoaka ho any ivelan'ny vavahady, mitondra ny fanevatevany.’”
GSAM 178.2Avy amin'ireo teny nalaina ireo mikasika ny fihetsik'ireo fiangonana manoloana ireo izay mitondra ny hafatr'ilay anjely faharoa, dia hita mazava tsara ny fomba, ho vokatra voalohany avy amin'ny fanomezana ity antso faharoa ity ho amin'ny “fisakafoanana”, izay iantsoana ireo izay voaangona ho ao anatin'ny vala ara-panahy iray hoe “ny kilemaina,” “ny mandringa,” ary “ny jamba,” izay mampiseho mazava tsara ny fampijaliana nahazo azy ireo tamin'ny “famelezana” nataon'ireo “mpiara-mpanompo” taminy, izay nanasarahana azy ireo.
GSAM 178Vahoaka Natokana Voafidy Handray Fahamarinana Vaovao
GSAM 178.3Hita mazava ny tanjon'ny Tompo tamin'ny famoahana vahoaka miavaka iray tamin'ny alalan'ny fanambarana ny hafatr'ilay anjely faharoa—ilay antso faharoa ho amin'ny “sakafo hariva”—sy ny antso mamatonalina. Tokony ho notadiavina sy nambara ireo fahamarinana sarobidy ho an'ny andro farany—asa izay tsy afaka natao tao amin'ireo fiangonana voafatotry ny finoana voasoratra toy ny tsy nahavitana ny fampielezana ny filazantsara tamin'izao tontolo izao nataon'ny fiangonana apostolika raha mbola nifandray tamin'ireo sekta jiosy. Niantso fisarahana tany i Andriamanitra,9 ary niantso fisarahana ho an'ny mpino ny fahatongavana koa Izy tamin'ireo izay nitady hitazona azy ireo ao anatin'ny faritry ny finoan'izy ireo.
GSAM 179Ny “Six Sermons” an'i Storrs
GSAM 179.1Fotoana fohy taorian'ity fivoahana ity dia tsikaritra fa tonga tamin'ireo vondrona mpino ny fahatongavana ny fahazavana momba ny sazy ho avy, araka ny voalaza ao amin'ilay bokikely, “Six Sermons,” nosoratan'i George Storrs, izay nanambara fa ny olombelona dia ho faty araka ny toetrany; fa tsy mahatsiaro tena ny maty eo anelanelan'ny fahafatesana sy ny fitsanganan'ny maty; fa ny sazy farany ho an'ny tsy mpivavaka dia ny fahafongorana tanteraka; ary fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ny tsy fahafatesana, izay tsy azo raha tsy amin'ny finoana amin'ny Tompontsika Jesosy Kristy.
GSAM 179.2An'arivony tamin'ireo Advantista no nanaiky ity fampianarana momba ny toetran'ny olombelona ity, saingy tsy izy rehetra. Tsy niteraka fisavoritahana teo amin'izy ireo ny fandavana izany, satria noheverina ho resaka finoana fotsiny izy io, fa tsy fitsapana ny toetra ara-moraly; noho izany dia tsy tapaka ny ezaka iraisan'izy ireo nampitandremana an'izao tontolo izao momba ny fahatongavan'i Kristy izay efa akaiky. Na izany aza, niteraka hatezerana tamin'izy ireo avy amin'ny fiangonana izany.
GSAM 179Tsy nahavita nandà ny “Six Sermons”
GSAM 179.3Ny mpitandrina Metodista tao amin'ny tanàna nonenako, izay efa niara-nitoriteny ny fampianarana momba ny fahatongavana tamin'ny 1843, dia nahazo ny “Six Sermons,” namaky izany, ary niaiky tamin'ireo mpikambana ao amin'ny fiangonany fa tsy nahavita nandà ilay fampianarana izy; saingy rehefa hitany fa maro tamin'ireo mpikambana tao amin'ny fiangonany no nanaiky izany, dia nanoro hevitra ny hafa izy mba tsy hamaky ilay boky, satria “hino ilay fampianarana izy ireo raha mamaky azy.” Tamin'ny volana Septambra 1844, rehefa niverina avy tamin'ny fihaonambe isan-taona ity mpitandrina ity, dia nitsangana teo amin'ny fitoerany izy ary nandà ampahibemaso ny fampianarana momba ny fahatongavana, ary nangataka am-panetren-tena ny famelan-kelok'ny fiangonana noho ny nanaovany fanasana ireo mpandahateny hiteny tao an-trano.
GSAM 179Notsaraina noho ny Heresia
GSAM 179.4Vetivety taorian'ity fihetsika nataon'ilay mpitandrina ity, nisy ezaka natao hanenjehana ireo mpino ny fahatongavana ho mpivaky finoana; saingy satria navela hanohana ny tenany tamin'ny Soratra Masina izy ireo, dia tsy nahazo fandresena ny fiangonana. Maromaro no noroahina tao amin'ity fiangonana ity satria tsy nifanaraka tamin'ny fitsipiky ny fiangonana ny fihetsiny, ary maro hafa no niala noho ny fanilihana ireo mpikambana izay tsy voaporofo fa mifanohitra amin'ny Soratra Masina ny finoany. Noho izany, voaroaka mandrakizay tao amin'ilay fiangonana ny fampianarana momba ny fahatongavana, fiangonana izay nahitan'ny olona an-jatony maro ny Mpamonjy sy nahatonga azy ireo ho sambatra ao amin'Andriamanitra.
GSAM 180.1Ny natao tany amin'ny tanàna niaviko dia natao ihany koa tany amin'ny fiangonana an-jatony maro hafa manerana ny firenena. Ireo izay notondrana toy izany avy amin'ireo rahalahiny taloha dia nahita fampiononana lehibe tamin'ny tenin'ny mpaminany Isaia: “Mihainoa ny tenin'i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin'ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.”10
GSAM 180Fanehoana ny Hatezeran'ny Ratsy Fanahy
GSAM 180.2Rehefa nanakaiky ny andro nandrasana ny Tompo, dia nihamavitrika tamin'ny asany ireo mpino, ary nihatezitra sy naneso mafy kokoa kosa ireo ratsy fanahy, araka ny hita amin'ity fanambarana manaraka nataon'ny tonian-dahatsoratry ny Midnight Cry tamin'ny 31 Oktobra 1844 ity:—
GSAM 180.3“Ny vokatra nateraky ny hetsika teo amin'ny ratsy fanahy dia nanampy betsaka koa hanamafy ny finoanay fa Andriamanitra no tao anatiny. Rehefa niara-nivory ny zanak'Andriamanitra mba handohalika sy hanetry tena eo anatrehany, ary hiomana amin'ny fisehoany, araka ny tokony ho ataon'ny andian'olom-be-dosa izay tsy afa-voavonjy afa-tsy amin'ny fahasoavana, dia naneho fankahalana lehibe indrindra ny ratsy fanahy. Rehefa tsy nanome filazana momba ny fivorianay afa-tsy tao amin'ny gazetiboky anay izahay, ary tsy nanasa ny besinimaro ho any, dia nameno ny fivoriana ny zanak'i Beliala, ary niteraka korontana be. Ny takarivan'ny Sabotsy, ny 12 tamin'ity volana ity [12 Oktobra 1844], dia tsy nanao fivoriana tao amin'ny tabernakla izahay, mba hananan'ny mpiandraikitra ny trano [mpikarakara trano] fotoana hanadiovana ny trano ho an'ny Sabata [Alahady]. Saingy niditra an-keriny tao an-trano ny andian'olona, ary tsy navelany akory aza izany fahafahana izany. Ny ben'ny tanàna anefa, na dia tsy nangatahana aza, dia niditra an-tsehatra avy hatrany, ary nandroaka azy ireo.
GSAM 181.1“Tamin'ny fivorianay tamin'ny Alahady nanaraka, rehefa feno ny tabernakla, dia nisy vahoaka be dia be nameno ny arabe teo anoloan'ilay trano, ka ny maro tamin'izy ireo dia tezitra mafy noho ny finoan'ny olona ny fahatongavan'ny Tompo. Tamin'ny hariva, noho ny fientanentanana teo amin'ny vahoaka, dia tsy nisy fivoriana natao; kanefa efa feno olona maro be ny arabe dieny mbola vao hariva; saingy ny fandraisana an-tanana haingana nataon'ny ben'ny tanàna sy ny polisy mahay niasany no nanadio ny arabe, rehefa avy nandefa vitsivitsy tany amin'ny fonja. Tsy azonay nampitahaina afa-tsy tamin’ny fitondran-tenan’ny vahoaka nanodidina ny varavaran'i Lota, tamin'ny takariva nialoha ny fandravana an'i Sodoma, ny fihetsik'izy ireo.... Tena tampoka, niaraka, ary niely patrana tokoa ny hetsika nataon'izy ireo, ka ny fisehoany tamin'ny andro voalohan'ny volana fahafito amin'ny taom-pivavahana jiosy dia nanamafy ny hevitray fa ity no tsy maintsy ho ilay volana.”
GSAM 181Nanao ny Akanjon'ny Fiakarana ireo Mpaneso
GSAM 181.2Tamin'ny 22 Oktobra 1844, andro nifaranan'ireo 2300 andro, tany Paris, Maine, raha nivory tao amin'ny trano fivavahana ireo mpino, nanao fivavahana manetriketrika ho an'Andriamanitra, niandry ny fahatongavan'ny Tompo tamin'io andro io, dia nivory nanodidina ilay trano ireo mpihomehy faneso, nihira hira fanesoana. Nisy roa tamin'ireo mpanakorontana ireo nanao akanjo fotsy lava, niakatra teo ambony tafon-trano, nihira hira, ary naneso ireo tao an-trano izay nivavaka sy niandry ny fahatongavan'ny Tompo.
GSAM 181.3Azo inoana fa avy amin'ity tranga ity no nipoiran'ireo lainga niely momba ny fanaovan'ny Advantista akanjo fiakarana; satria na dia nanolotra valisoa hatramin'ny $500 aza ireo gazetin'ny Advantista ho an'ny tranga iray azo antoka momba ny Advantista iray nanao akanjo fiakarana tamin'ny 1844, ka niandry ny fahatongavan'ny Tompo, dia tsy nisy tranga iray aza niseho hatramin'izay.
GSAM 182Ny Fahitan'i Hazen Foss, 1844
GSAM 182.1Tamin'izany fotoana izany dia nisy tovolahy iray antsoina hoe Hazen Foss, izay nonina tany Poland, Maine, nino mafy fa ho avy ny Tompo amin'ny andro faha-folo amin'ny volana fahafito. Lehilahy tsara bika izy, nahay niteny, ary tena nahita fianarana. Herinandro vitsivitsy talohan'ny nifaranan'ny “antso mamatonalina”, dia nanatona azy ny Tompo ary nanome azy fahitana, izay naseho taminy ny dian'ny vahoakan'ny fahatongavana mankany an-tanànan'Andriamanitra, sy ny loza mety hitranga amin'izy ireo. Nisy hafatra fampitandremana nomena azy izay tokony ho entiny, ary nahita ihany koa izy ny fitsapana sy ny fampijaliana izay hanaraka raha mahatoky izy amin'ny fitantarana izay naseho taminy. Izy, tahaka an'Andriamatoa Foy, dia nasehoana dingana telo izay handehanan'ny vahoakan'Andriamanitra tanteraka eny amin'ny lalana mankany an-tanàna masina. Koa satria mpino mafy ny fahatongavan'ny Tompo “ao anatin'ny andro vitsivitsy sisa” izy (araka ny fomban'izy ireo nihira tamin'izany fotoana izany), dia tsy azon'ny sainy ny ampahany tamin'ilay fahitana izay momba ireo dingana telo mankany amin'ny lalana; ary noho ny toetrany mirehareha, dia nisintaka tamin'ny hazofijaliana izy ary nandà ny hitantara izany. Naverina fanindroany ilay fahitana, ary ankoatra izay dia nolazaina taminy fa raha mbola mandà hitantara izay naseho taminy izy, dia hesorina aminy ilay enta-mavesatra ary hatolotra amin'ny iray amin'ireo zanaky ny Tompo marefo indrindra, izay hitantara am-pahatsorana izay hampahafantarin'Andriamanitra. Nandà indray izy. Dia nomena fahitana fahatelo indray izy, ary nolazaina taminy fa navotsotra izy, ary napetraka tamin'ny iray amin'ireo osa indrindra amin'ireo osa ny enta-mavesatra, izay hanatanteraka ny didin'ny Tompo.
GSAM 182Tsy Nahavita Nitantara ny Fahitany i Foss
GSAM 182.2Nahagaga ilay tovolahy izany, ka nanapa-kevitra ny hitantara izay naseho azy, ary nanambara ny fotoana hanaovany izany izy. Nifanizina ny olona mba hijery sy hihaino. Notantarainy tamim-pitandremana ny niainany, ny fomba nandavany ny hitantara izay nasehon'ny Tompo azy, sy ny ho vokatr'izany fandavany izany. “Ankehitriny,” hoy izy, “dia hotantarako ny fahitana.” Kanefa indrisy! Efa tara loatra: nitsangana teo anatrehan'ny vahoaka izy nangina tsy niteny toy ny sarivongana, ary tamin'ny farany dia niteny tamim-pahoriana lalina hoe, “Tsy mahatsiaro na teny iray aza tamin'ilay fahitana aho.” Notsorotsorony ny tanany noho ny fanaintainana, sady niteny hoe, “Notanterahin'Andriamanitra ny teniny. Nesoriny tamiko ilay fahitana,” ary tamin'ny fahoriana lehibe tao am-pony dia niteny hoe, “Lehilahy very aho.” Nanomboka teo dia very fanantenana tamin'i Kristy izy, ary latsaka tao anatin'ny famoizam-po. Tsy niverina nanatrika fivoriana Advantista intsony izy, ary tsy nanana fahalianana manokana tamin'ny fivavahana. Ny fitondran-tenany tamin'ny lafiny maro, raha tsorina, dia toy ny an'ny olona tsy manana ny fitaomana malefaka avy amin'ny Fanahin'ny Tompo, olona “navela ho amin'ny lalany, mba ho voky ny asany.” Tao anatin'izany toe-tsaina izany izy no nodimandry tamin'ny 1893.
GSAM 183Ny Fahitan'i Foss Notantarain'ny Hafa
GSAM 183.1Tokony ho telo volana taty aoriana, taorian'ny tsy nahatsiarovany ny fahitany, dia nandre fitantarana fahitana iray nataon'olon-kafa izy, izay avy tao amin'ny efitrano teo akaiky teo. Natao tao an-trano fonenana iray izay nisy azy ilay fivoriana. Nampirisihina izy mba hiditra tao amin'ilay fivoriana, saingy nandà izany. Nilaza izy fa ilay fitantarana dia nitovy tamin'ilay naseho taminy, araka izay mety ho vitan'ny olona roa mitantara zavatra iray ihany. Ary tamin'izany no nahafantarana izay hitany nefa tsy nahatsiarovany rehefa nanandrana nitantara izany izy. Rehefa nahita ilay olona taty aoriana izy dia niteny hoe: “Izany no fitaovana nampitondran'ny Tompo ny enta-mavesatra.”
GSAM 183Fahadisoam-panantenana Mampalahelo
GSAM 183.2Tonga ihany tamin'ny farany ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafito, araka ny fotoana Jiosy (22 Oktobra 1844). Nahita olona an'arivony maro be izany, izay niandry fatratra io fotoana io ho tanterahan'ny fanantenan'izy ireo. Tsy nanao drafitra na inona na inona eto an-tany ho an'ny aoriana an'io daty io izy ireo. Tsy mbola nanan-tsaina akory aza izy ireo hoe: “raha tsy tonga izany,” fa efa nikarakara ny raharaham-piainany eto an-tany toy ny hoe andrasany hamarana ny fe-potoanan'ny fiainany ara-nofo io andro io. Nampitandrina sy namporisika ny ratsy fanahy izy ireo mba handositra ny fahatezerana ho avy, ary maro tamin'izy ireo no natahotra sao ho marina ilay hafatra. Nanome torohevitra sy nivavaka niaraka tamin'ny havany izy ireo, ary nanao veloma an'ireo tamin'izy ireo izay tsy nanolotra ny fon'izy ireo ho an'Andriamanitra. Raha fintinina, dia nanao veloma ny zavatra rehetra eto an-tany izy ireo tamin'ny fahamanetriketrika rehetra, toy ny olona mihevitra ny tenany ho efa hanatona mivantana ny Mpitsara ny tany rehetra. Noho izany, tao anatin'ny tebiteby saika tsy nahafahana nisefo, dia nivory tao amin'ny toeram-pivavahan'izy ireo izy ireo, niandry isaky ny fotoana ny handre ny “feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra,” ary ny hahita ny lanitra mirehitra amin'ny voninahitry ny Mpanjakany ho avy.
GSAM 184.1Nandeha miadana ny ora, ary rehefa nilentika tany ambanin'ny faravodilanitra andrefana ihany ny masoandro, dia tapitra ny andro fahafolo jiosy tamin'ny volana fahafito. Niparitaka indray ny haizina ka nanarona ny tontolo; saingy niaraka tamin'izany haizina izany dia tonga ny alahelo lalina tao am-pon'ireo mpino niandry ny fahatongavana, alahelo izay tsy misy mitovy afa-tsy amin'ny fahoriana niainan'ireo mpianatr'i Tompontsika, rehefa nandeha tamim-pahamanetriketrika nody izy ireo tamin'ny alina nanaraka ny fanomboana sy fandevenana an'Ilay izay vao tsy ela akory izay no notarihin'izy ireo tamim-pandresena niditra tao Jerosalema ho Mpanjakany.
Fanamarihana ambany pejy
- Apokalypsy 14:8. ↩
- Lioka 14:21. ↩
- Lioka 14:17. ↩
- Lioka 14:21; Apokalypsy 14:8. ↩
- Apokalypsy 18:2-4. ↩
- Apokalypsy 3:3. Ho an'ny fanazavana feno momba ireo fiangonana fito, jereo ny Thoughts on Daniel and the Revelation. ↩
- Asan'ny Apostoly 19:8, 9. ↩
- 2 Korintiana 6:17, 18. ↩
- Asan'ny Apostoly 13:46. ↩
- Isaia 66:5. ↩